ANDRY TSY AZO AHITSY INTSONY ?

Angaha raha andrim-panjakana dia tsy azon’iza ahitsy,
Na dia hita tsotr’izao fa efa toa mivaralila?
Moa ny anton’ny fisiany dia ny hiarovana olom-bitsy,
Hilahatra amin’ny polisy, ny zandary, miaramila?

Moa ny zavatra tsy mety dia tsy tokony hotenenina,
Fa dia hojerena fotsiny toy ny olona manoaka?
Raha izany dia hitombo ireo mpitondra bemarenina,
Ka dia tsisy hihaino intsony ny hetahetanay vahoaka!

Angaha raha andrim-panjakana dia tsy azo mba toroana,
Fa hanao izay danin’ny kibony sy ny sitraky ny fony?
Tena hojerena fotsiny ka avela hanaonao foana,
Hifanohana amin’ny ratsy, izay ilay hoe “mpitondra ambony”?

Raha izany no mitohy dia hifandimby ny hianjera
Iretsy andry izay voakiana ho tsy tena marin-toerana.
Tsy azon’iza ahitsy mantsy fa toa faly mihoerahoera,
Nefa tena tsy mijidina ka ilana fiheverana!

DADAN’i RIANA (20-01-23)