EDITO 26 Janoary – Fandoavam-bola amin’ny foibem-panadinana – Tsy miraharaha ny fampianarana izao fitondrana Rajoelina izao

Sôh’son

Niharihary nanomboka ny alahady 15 Janoary lasa teo ny fomba fiheveren’ny olona eo anivon’izao fitondrana izao, ny momba ny fitenenana avy amin’ny olom-pirenena isan-tsokajiny. Anisan’izany ny toriteny teny Antsonjombe izay nanehoan’izy ireo fihetsika sy fanehoan-kevitra somary mirefarefa ihany. Raha amin’ny lafiny finoana no andraisana azy, dia mbola ilay olona eo amin’ny lenta misotro rononom-panahy izy ireo ary mbola ho ela vao hihinana ventin-kanina raha tsy mahatsapa tena. Tsotra ny fahitana azy, ary voarefy mazava tsara amin’izany izy ireny. Tsy asiana resabe intsony iny, fa efa be dia be izay resaka momba an’iny izay, fa andrasana indray izay tranga hafa hampitsangam-bolo ireo olon’ny fitondrana ireo.

Etsy ankilan’izay, nanaitra ny saina ny nandre, fa misy ny vola aloan’ny mpianatra hanàla fanadinana amin’ity taona ity, izay tsy mba nisy izany tany aloha na tamin’ny fitondrana teo alohan’izao fitondrana Rajoelina izao. Ireo mpianatra hanàla fanadinana Bepc, dia voalaza fa mandoa vola amin’ilay foibem-panadinana hanaovany fanadinana, vola mitentina 3500 Ariary io, ary nanaitra ny saina, ny mpiadina no miantoka ny taratasy vakiraokany avy na ny feuille de brouillon ampiasaina amin’ny fanadinana. Kahie 50 pejy io, ary alefa mialoha any amin’ny tomponandraikitra ho hasiana fitomboka. Tsy efa maneho miharihary ve izany, fa tena ataon’izao fitondrana izao ambanin-javatra ny fampianarana, fa any amin’ny sehatra hafa no andaniam-bola be. Ny zana-bahoaka terena amin’ny fitaovana hanalàny fanadinana, raha tsy afaka hanao izany dia tavela eo izany. Fitondrana inona ity miseho dedaka amin’ny zavatra hafa ity kanefa ny fitsinjovana ny zaza malagasy mba hisondrotany ataony an-tsirambiny? Ny zana-bahoaka no asaina manampy ny fanjakana eo amin’ny seha-pampianarana, fa tsy vitany ny miantoka azy. Maneho miharihary ny tsy fahombiazan’izao fitondrana izao izany.

Ankoatra izay koa, dia mbola andoavam-bola ihany koa ny mpanao fizahana (visite médicale) ho an’ireo mpiadina. Vola 1500 Ar indray no voalaza fa aloa amin’izany. Tsy mba nisy taloha izany toe-javatra izany, fa vitan’izao fitondrana izao. Ho an’ny sahirana izany dia hiàla maina hijanona eo amin’ny kilasy faha-3 (Classe de 3ème) ny fara takatr’izy ireo, fa tsy natao ho azy ny haka ny diplôma Bepc. Hahavita inona amin’ny fiainany any aoriana anefa izany? Ny iray kapoaka amin’ny vary aza mila tsy ho voavidin’ny fianakaviana sahirana amin’izao fotoana izao, ary misy miady varotra mihitsy mba ho afaka hividy tapa-kapoaka. Mazava loatra, fa hanilika azy ireo no dikan’ny fitakiana vola aminy amin’ny fanadinana. Hoan’ireo olon’ny fitondrana, izay mpanefoefo manan-karena, migalabona amin’ny harembe sy vola be anefa dia tsy ho tsapany, sy tsy ho azony an-tsaina velively izany olan’ny vahoaka sahirana izany. Ny fomba fahatakarany mantsy nambara tery aloha fa voarefy ihany, ary loko hafa hatrany no hitan’ny masony fa tsy ny tena zava-misy marina.