Mpitondra filaminana – “Tsy natao hiaro izay tsy mandeha amin’izay izy intsony ianareo!” (Marc Ravalomanana)

Ny Valosoa

“Satria ny sasany misy mandika vilana hoe: mihantsy mpitondra filaminana!… Tsy miantsy izahay fa ianareo no tsy mahay mipetraka, dia ho avy izahay.

Ny tiana tenenina amin’izany, dia mahafantatra tsara ny toerana misy anareo mpitandro filaminana, miaramila, zandary, foloalindahy izahay. Efa teo aho, mahalala azy tsara. Ny tena tokony hisy anareo dia tandroka aron’ny vozon’ny vahoaka, ary indrindra indrindra, tsy momba na ny atsy na ny aroa.

Tsy natao hiaro izay tsy mandeha amin’izay izy intsony ianareo, dia mijery an’ireto reny izay efa mitaraina. Dia tsy mijery fotsiny ny zava-manjo. Fa lasa ianareo indray no biby fatahorana ho an’ny olona, ataon’olona fitaovana. Izay no mahatonga anay hiteny an’ilay izy fa tsy mihantsy anareo. Fa raha ianareo koa no tsy manao ny asanareo dia afaka adidy amin’ny fatana izahay. Olona mahalala, mahay sy mahavita no miteny fa tsy miteniteny foana akory.

Tena mahonena ny tsy fandraisana andraikitra amin’ny ain’olona. Isaky ny misy zava-mitranga dia misokatra ny fanadihadiana. Mandrakizao mbola tsy mikatona foana ny fanadihadiana. Loza!… Mitaraina ny fianakaviana, dia lazaina fa efa misokatra ny fanadihadiana. Vahiny efa maka taovan’olona any Morondava, dia mbola hoe misokatra ny fanadihadiana, ka rahoviana no hikatona. Ny dikan’izany dia tsy mandray andraikitra ianareo.”

(Marc Ravalomanana)

‘https://www.youtube.com/watch?v=WaRsUE5OMZs&t=286