MANAM-BOLA SA TSY MANANA ?

Ministry ny toekarena sy ny fitantanambola Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo (08.2021-…)

Manam-bola sa tsy manana ianareo Rafanjakana?
Fa ny anay raha ny karama, tsy voaloa ara-dalàna.
Raha tsy misy fitakiana na koa fampiakaram-peo,
Dia toy ny miesona hatrany, tsy mijery anay ‘nareo!

Manam-bola sa tsy manana ianareo Rafanjakana?
Manam-be fa dia nafafy tamin’ny endri-pilibana?
Faly ny milela-tanana sy mampidera ireo ananana,
Nefa maro ireo vahoaka no efa matin’ny hanoanana!

Manam-bola sa tsy manana ianareo Rafanjakana?
Iretsy ny mpianatra an-tsekoly, miaina anaty fahantrana.
Tena tojo ny mangidy sy efa zara raha mihinana,
Ireo no mbola hakana vola mba ho saram-panadinana?

Manam-bola sa tsy manana ianareo Rafanjakana?
Amin’ny toeram-pitsaboana, tsisy saram-pizahana.
Izay no mody aseho vahoaka sady tena abaribary,
Saingy raha tsy misy vola, maty hatrany ny marary!

Manam-bola sa tsy manana ianareo Rafanjakana?
Sa dia efa bankirompitra noho ny ditra sy hadalana,
Ka izay olo-manakiana dia mahazo valy bontana
Sy rahonana hogadraina fa dia hoe mpanakorontana?

Manam-bola sa tsy manana ianareo Rafanjakana?
Moa Ragova dia adala raha nametra-pialana?
Tsy dia tongatonga ho azy ny endri-javatra toy izao,
Fa efa tsinjony mialoha hoe misy tsy milamina ao!

Manam-bola sa tsy manana ianareo Rafanjakana?
F’efa hifarana ny lalana saingy tsisy fihatsarana!
Mainka toa mitombo hatrany irony seho fambara loza,
Izay midika f’efa ho rendrika ito sambonao ry foza!

Manam-bola sa tsy manana ianareo Rafanjakana?
Aza maika hamaly intsony fa apetraho ny fialana.
Tena tsisy zava-banona, potika ny firenena.
Ho anareo dia ny miala, izay no hany fahendrena!

IRINA HO TAFITA (26-01-23)