Vokatry ny rivodoza – Miakatra ihany koa ny rano tany Miandrivazo

Rainilita

Taorian’ny orana nikija nanomboka ny zoma lasa teo dia niakatra ny tanàna ny rano, ao Miandrivazo faritra Menabe ny alahady faha 22 janoary, ka nandray andraikitra ny OMC izay notarihin’ny lehiben’ny distrika, niezaka nanokatra lalan-drano, mba hivoahan’ny rano ary nitohy tamin’ny famoriana ireo herivelona rehetra sy ny tompon’andraikitra teo an-toerana, izay notarihin’ny lehiben’ny Distrika hatrany.

Tapaka fa hanao asa tanamaro hanokafana ny lalandrano ary noraisina ny fepetra, fa tsy mianatra ny mpianatra, ka ny EPP centre no handraisana ireo traboina ary entanina ireo olona mba hiala ny faritra iva, satria hita fa tsy mazoto ny olona hiala ny fonenany noho ny tsy fahatomombanan’ny fandraisana azy ireo amin’ny toerana handraisana azy. Tsara ho marihina fa efa nisy ny tanamaro izay natao ny 30 Desambra lasa teo, izay notarihin’ny solombavambahoaka ary nitohy Himo ny 31 desambra izany. Ramatoa solombavambahoaka dia nanampy ireo mponina.

Hatreto dia trano enina no rava ato amin’ny Distrikan’i Miandrivazo, tsy misy kosa ny aina nafoy, mbola tsy voafaritra kosa ny traboina. Isan’ny mahatonga ny rano miakatra ao an-tanànan’i Miandrivazo ny fahatsentsenan’ny lakandrano, manampy trotraka ihany koa ny fananganana foto-drafitrasa gaboraraka toa tsy misy fandraisana andraikitra ny eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Miandrivazo, hany ka raha vao misy orana kely dia efa dobo rano ny manodidina ny Cnaps ao amin’ny fokotany Ampanasana.