Noravan’ny kaominina ny tsena – Mivarotra ambony fotaka ny mpivarotra any Vondrozo

Niaina

Mivarotra eny ambony fotaka ny olona, fa noravain’ny kaominina ny tsena any amin’ny kaominina Vondrozo distrikan’i Vondrozo faritra Atsimo Atsinanana. Mitaraina ireo TANTSAHA MPIVAROTRA amin’izao oran’andro izao, satria dia ao anaty loto sy fotaka tanteraka izy ireo no manatanteraka ny velon-tenany.

Misy tsena izay natsangana ihany miala 1,500 km miala ny Commune, fa sady lavitra no mangina tsy misy mpiantsena. Maro fotodrafitrasa simban’ny rivodoza Batsirai tamin’ny taondasa tsy misy mpijery koa ny any an-toerana. Toa tanàna haolo Vondrozo, ny antony dia ny tsy fijerena ny tena mahasoa ny mponina rehefa manangana zavatra.