Ministra Lalatiana – Mampisara-bazana ny artista hoy ny sendikà

Stefa

Nampaka-peo ireo artista mivondrona ao amin’ny sendikan’izy ireo ny faran’ny herinandro teo ary mbola nitohy omaly, fa mampiady ny samy artista ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriantogarivo ary tsy mandoa ny volan’ny mpanakanto koa. Araka ny fanambaran’izy ireo, izay notaterin’ny depiote Rossy: ”Ny SYKA sendikan’ny Kanto, miaraka amin’ny fikambanamben’ny syndicat eto Madagasikara, rehefa nahatsapa fa herintaona maninjitra tsy nandray vola ny membres ny Omda na ariary aza:
– mikorontana tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny Omda nohon’ny tsindry na harcèlement ataon’ny ministra ireo mpiasa sy mpanatanteraka tavela ao. Ary tapitra nametra-pialàna sy mitaraina amin’ny anaovan’ny ministra sy ny ekipany azy.
– korontaniny avokoa na ny calendrier napetraka hatramin’izay, assemblée générale, tatitra, fifidianana, noravana tsy nisy fampandrenesana ny fivoriambe tokony ho natao tao amin’ny Espace Dera.
– dinganina tsy ampahalalana na inona na inona ny rafitra ara- dalàna conseil d’administration voafidy.
– atao tampotampoka sady afangaro voraka amin’ny fanaovàna kifetifety ny fifidianana, izay mila fitoniana sy fiomanana, satria consensus hatrany ny fanaovàna fifidianana.
– ny mpikambana manana karatra ihany no tokony hivory sy hiatrika fifidianana, ny antso atao anefa dia fety anaty Palais des Sports, no hiantsoana izay milaza azy ho artista manao mozika Mafana rehetra ity.

Noho izany :
tsy mitombina tsy manan-kery, ary tsy ekenay ny fifidianana tampoka sy sadasada kasaina hatao ao amin’ny Palais des Sports anio talata ary vao mainka hanakorontana ny Omda
– takiana ny handoavan’ny ministera ny volan’ny mpikambana tsy noraisiny efa ho herintaona izao alohan’ny zava-drehetra
– takiana ny hanatsaharan’ny ministra sy ny ekipany ary ny comptes mpiaro azy eo amin’ny réseaux sociaux ny harcèlements moraux atao ny mpiasan’ny Omda lazaina fa “ekipan’ny teo aloha”.
– takiana ny hanatsaharany ny fampiadiana ny samy artistes sy ny fanalam-baraka amin’ny affirmations Gratuites, fa mangalatra ny artistes zokiny sy niangarana, nanondinkodina milliards.

Farany tsy ekena ny fampiasàna ny ministera hanitarana ny ambaindain’ny antokon’ny ministra, ka hametrahany ny olony na hanereny ny mpiasa hiditra ao amin’ny antokony (freedomisation).”