Taonan’ny Bitro – Mankalaza ny taom-baovao sinoa koa ny eto Madagasikara

Aly

Fety manan-danja eo amin’ ny fiainan’ ny besinimaro ny taom-baovao any Azia. Anisan’izany ny firenena Sinoa, izay mampiasa ny antsoina hoe « Calendrier Lunaire », ka ny « Fête du Printemps » na « Nouvel An Lunaire » no fiantsoana an’ izany. Ity kalandrie ity dia manaraka ny tsinam-bolana voalohany izay mifanindry amin’ny fiovan’ny taona sy ny fety, izay no mahatonga ilay daty miovaova foana isan-taona. Ny amin’ ity taona ity dia nanomboka ny 22 Janoary 2023 izy io hatramin’ ny 09 Febroary 2024, izay antsoina hoe taonan’ ny Bitro. Ny teto amintsika dia natomboka ny Sabotsy 21 Janoary 2023 lasa teo izany fankalazana taom-baovao sinoa izany, izay notontosaina teo anoloan’ny Lapan’ny tanana Analakely no nanamarihana azy nanomboka tamin’ ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 1 ora atoandro. Tonga nanotrona izany ny olo-manan-kaja maro toa ny «Chargé d’ affaires » ny masoivoho ny Shina eto Madagasikara, ny mpitantana ny « Institut Confucius » eny amin’ ny Université d’ Antananarivo, mpandraraha sinoa sy mpikambana « Association de la Communauté Chinoise à Madagascar », sy olo-manakaja maro…

«Fiarahana miaritory ary fandrehetana labozia sy afo mena hanoherana ny zavatra sy fanahy ratsy mety handripaka tokantrano iray, no ataon’ny fianakaviana sinoa eo am-piandrasana ny « Fête du Printemps ». Sakafo mafilotra sarotra karakaraina tsy fanao isanandro, toy ny paty lava be mariky ny fahalavan’ny andro iainana, no hiarahan’ ny fianakaviana mihinana ny taom-baovao. Ary ny loko mena no marika fahombiazana hoan’ ny kolontsaina sinoa » hoy i Sylvianna CHUE NOE mpampianatra ao amin’ ny « Institut Confucius » eny amin’ ny Université d’ Antananarivo. Na dia nirotsaka tsy akijanona aza ny orana dia tsy nampihena ny fahavitrihana sy ny kalitaon’ny seho izay natolotr’ireo mpianatry ny « Institut Confucius » hoan’ ireo olona maro tonga nanotrona izany fety be miavaka izany. Nifandimby tao ny hira, dihy, fitantarana angano, fisarihana sy fizarana loka samihafa ho an’ireo nitsikian’ny vintana, fampisehoana haiady ary ny « Danse du Lion », izay tena manamarika ny fankalazana ny kolontsaina sy ny taombaovao sinoa.