Andrimaso FFKM – Hanara-maso ny fifidianana hatao eto amintsika

Stefa

Nilaza ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), fa handray anjara feno amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ho avy izy ireo, amin’ny alalan’ireo andrimasony, na ny Andrimaso FFKM, fa tsy hipetra-potsiny.

Nanentana ny olom-pirenena rehetra hanamarina ny anarany any anaty lisi-pifidianana, sy handray anjara amin’ny fifidianana ihany koa ny filoha hitantana ny FFKM amin’ity taona ity, ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, ny alahady tolakandro teo, nandritra ny fotoam-pivavahana fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha, ny Rév. Ranarivelo Samuel Jaona, sy ny filoha ankehitriny, ny mpitandrina, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, izay hitarika ny FFKM amin’ity taona 2023, hitarika ny FFPM ihany koa izy ary mitarika ny FJKM rahateo.

Ny filohan’ny FFKM ihany koa matetika mandritra ny toriteny izay ataony dia manentana ny mpino hanao politika: “Sahia manao politika”, hoy izy. Tsy ratsy ny politika, fa ny fomba fanaovana azy: amin’ny lainga sy ny fitapitaka ary ny fampanantenana poakaty toy ny ataon’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana, no toa manaratsy endrika azy. Na izany na tsy izany, liana amin’ny resaka politika ny olom-pirenena ankehitriny, hita izany amin’ny fanehoan-kevitra samihafa: an-gazety, amin’ny tambazotran-tserasera, na ny eny amin’ny fiarahamonina eny ihany koa,…

Nanome voninahitra izany fifamindram-pahefana izany ihany koa ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM sy ny RMDM.