Filoha Ravalomanana – Sahy ary manana toe-tsain’ny mpandresy ny Tanora TIM

Isambilo

Nomena Fiofanana Tselatra momba ny politika, sy ny fahaiza-mitarika ary ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, teny Bel’Air Ampandrana ny sabotsy teo ireo tanoran’ny antoko Tiako i Madagasikara, na Tanora TIM amin’ny faritra Analamanga. Nahatonga solontena tamin’izany avokoa ireo tanora avy amin’ny Boriboritany 6 eto an-drenivohitra, sy ny distrika manodidina: toy ny avy any Manjakandriana, Ambohidratrimo, Antananarivo Atsimondrano sy Avaradrano. Nitarika ny fotoana sy ny fiofanana ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana, ny depioten’ny Boriboritany faha-6, Todisoa Andriamampandry sy Olivier Randrianarisoa. Niatrika ny fotoana ny avy amin’ny birao politikan’ny antoko TIM, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko, notarihan’ny filohan’ny vondrona parlemantera Tiako I Madagasikara, ny depiote avy ao amin’ny Boriboritany faha-5, Fetra Ralambozafimbololona,…

Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany fa tsy maintsy manao politika vao hisy ny fampandrosoana, hanatanterahana ny vina. Novelabelariny nandritra io fotoana io koa ny Tanora Tiako i Madagasikara miatrika fifidianana. Minoa fa misy ny ho avy mamiratra. Sahia ary manàna ny toe-tsain’ ny mpandresy. Mijoro ho fanavotam-pirenena. Mandraisa andraikitra, hoy i Dada.

Ny depiote Todisoa ANDRIAMAMPANDRY dia nanambara fa ny antoko politika dia manabe ara-politika ny tanora ao aminy. Fampandraisana anjara ny rehetra, indrindra amin’ny raharaha eto amin’ny firenena. Serasera no tena ilaina ao anatin’izany, fantarina ny mpampita, fantarina izay olona ampitaina, voaray ve ny hafatra tiana hampitaina, na fanofanana, ny fitaovana ampitàna azy. Ilaina ny mampita ny hafatra TFM: teny fohy sy mazava. Amin’izay no ahitana raha misy vokatra ka tafita ny hafatra. Nitondra ny loha-hevitra momba ny fahaiza-mitarika kosa i Olivier Randrianarisoa. Mbola nanamafy kosa ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, fa sahia manao politika, tamin’ireo tanora vory maro tokoa tetsy Bel’Air, ny sabotsy teo io, na nanorana aza ny andro.