Fiainam-pirenena – Miha-lalina hatrany ny fahantran’ny vahoaka Malagasy

Helisoa

Miha-lalina hatrany ny fahantran’ny vahoaka Malagasy maro an’isa ankehitriny, vizana sy reraka toa tsy mahita izay ianteherany intsony, fa very fanahy mbola velona. Toa tsy misy fanjakàna izany eto, satria raha nisy izany dia tsy toy izao ny fahantrana mahazo ny tokantrano Malagasy. Midangana izay tsy izy ny vidim-piainana; tsy misy fijerena ny sosialim-bahoaka, maty raha sendra tsy manambola any amin’ny hopitalim-panjakàna, satria hatramin’ny bitika indrindra dia asaina vidian’ireo marary mila fitsaboana ao avokoa.

Efa niainana nandritra ny 4 taona nitondràn’i Andry Rajoelina hatramin’ny 19 janoary lasa teo izany. Resaka fampandriana adrisa fotsiny ny propagandy natao izay nitondràna ny velirano 13 teo anatrehan’ny vahoaka Malagasy, nefa tsy nisy tanteraka fa nosafosafoina fotsiny dia hoe miasa manatanteraka ny fampanantenana natao ny mpitondra fanjakàna. Ohatra amin’izany, potika tsy misy raisina ny lalana eto Madagasikara rehetra, satria tsy mba nisy ny fikojakojana. Ny vola natao hikojakojàna ny lalana toa tsy hita izay nanjavonany. Avy eo rehefa manambana hanao grevy ny mpitatitra vao mody milaza ny minisitra tompon’andraikitra fa amboarina ny lalana. Ireo orinasa mpanamboatra lalana moa dia tsy sasatry ny mitaky ny volany efa an-taonany tsy aloan’ny fanjakàna amin’ny alalan’ny minisiteran’ny asa vaventy. Noho ny tsy fahatokisana ny fitondrana izay koa, tsy nisy namaly ny tolo-bidy ho amin’ny fanamboarana ny lalampirenena faharoa. Izany no mahatonga ireo orin’asa matahotra tsy sahy mamaly ny tolobidy, koa ny ny teo aloha aza tsy voaloa ny volany. Manaraka izany, tsy voaloa ny vatsim-pianaran’ny mpianatra dia migrevy ny ankizy, misy mpamono afo indray atsy ambadika miteny hoe: aleo fa aloa ny vatsim-pianaranareo dia mangina kely indray aloha ireo mpianatra. Toy izany hatrany no fomba fiasan’ny fitondrana Rajoelina amin’ny ankapobeny.

Ankoatr’izay, tamin’ny taona 2018 nandritra ny fampielezankevitra dia nilaza i Andry Rajoelina kandida tamin’izany mikasika ny vidimbary izay 600 ariary ny kapoaka. Lafo be izany vary izany hoy izy fa ampidinintsika. Ankehitriny anefa, 930 ariary mahery ny vidimbary amin’izao fotoana hitondràny izao. Izay ilay fampanantenana poak’aty. Taonan’ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity, ampy angamba izay ny andrakandrana sy ny lainga marivo tototra atao amin’ny vahoaka Malagasy. Maro ny fikambanana fiarahamonim-pirenena no efa manentana, mba tsy ho taitaitra amin’ny fanomezana kely izay tsy mahavita taona. Aleo mba hijery amin’izay, fa tsy ho taitra ny kobaka ambava izay hita fa tsy ho tanteraka akory. Efa latsaka lalina loatra ny firenena, ka aleo jerena tsara izay asiana ny tongotra. Hatramin’ireo niaraka tamin’ity fitondràna ity anie izao no efa menatra tsy sahy miseho masoandro maneho hevitra, satria be tongotra loatra ilay soavaly arovana.