Filoha Ravalomanana – Nanome voninahitra ny fiangonana katolika teny Ambohipo

Isambilo

Nanome voninahitra ny fiangonana katolika teny Ambohipo ny alahady maraina teo, ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM. Ny alahady 22 Janoary 2023 teo dia nisy ny lamesa lehibe fankalazana ny fetin’ny Fianakaviana Masina, mpiaro ny Seminera Zandriny Ambohipo, sy fankalazana ny Alahadin’ny Tenin’Andriamanitra, ho an’ny EKAR: Eglizy Katolika Apôstôlika Rômana.

Nitarika ny lamesa tamin’izany ny Arsevekan’ny Arsidiôsezin’Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Ny Seminera Zandriny dia toerana fanofanana tanora ho Pretra ho an’ny Eglizy Katolika eto Madagasikara, tanora avy amin’ny lafy valon’ny Nosy no miofana ao.