FFKM – Hanaramaso ny fifidianana – Zava-dehibe ho an’ny firenena hoy ireo mpanao politika

Ny Valosoa

Nanao fanambarana goavana ny Fikambanan’ny Fiangonana Kristianina Malagasy na ny FFKM ny 22 janoary 2022, taorian’ny fifamindram-pahefana notanterahina teny amin’ny fiangonana anglikana Andohalo. Voalaza tamin’izany fa hanara-maso ny fifidianana hisy eto amintsika ny FFKM.

Zava-dehibe ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy momba ny fanaraha-maso io fifidianana io, hoy i Serge Zafimahova. Ireo rafitra nametrahana andraikitra io mantsy no efa nahitana lesoka foana hatraminizay, hoy ihany izy, ny FFKM rahateo no isan’ny mahasahana voalohany an’i Madagasikara noho ny CENI, izay rafitra mpikarakira ny fifidianana.

“Tamin’ny fifidianana farany dia 24600 teo ny isan’ny birao fifidianana. Raha ampiakarina hatramin’ny 30.000 dia mbola rakotry ny FFKM foana. Ny zava-dehibe voalohany dia ny fahavononan’ny FFKM hijoro ho an’ny fahamarinana amin’ny resaka fifidianana. Ny faharoa dia ny mety hanaovan’ny FFKM fanisana mitokana na “décompte parallèle”, ka hamoahany vokapifidianana vonjimaika, mba tsy hisian’ny halabato intsony.”

Hatreto dia ny CENI sy ny HCC no tena olana ho an’ny mpanao politika sy ny vahoaka malagasy amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Mbola vao fanomanana dia efa maro ny lesoka hita: ny tsy fisiam-bola, ny tsy famoahana ny tetikandrom-pifidianana, ny lalam-pifidianana izay mampitaraina ireo antoko politika maro, indrindra fa ny fiarovana sy ny fampiasana ireo olom-panjakana ary ny fitaovam-panjakana mandritra ny fotoam-pifidianana.

Araka izany dia niantso famondronan-kery ho an’ny vahoaka malagasy ireo mpanao politika manoloana izany fanapahan-kevitra izany. Ilaina hoy izy ireo ny ray aman-dreny mijoro toy ireny rehefa tandindomin-doza ny firenena, indrindra ao anaty ny atao hoe fifidianana.