EDITO 24 Janoary – Ady amin’ny tsy fandriampahalemana – Hetsika manao akanjo maity rahampitso any Toamasina

Niaina

Efa mihàtra amin’ny taolana sy mampiteny ny moana mihitsy ny tsy fandriampahalemana any Toamasina faritra Atsinanana. Ary tsy any ihany, fa saika manerana ny Nosy mihitsy no ahitana izay tsy fandriampahalemana izay, tsy ambanivohitra, tsy an-drenivohitra fa dia mikaikaika avokoa ny rehetra, noho ny asan-dahalo, sy ny asan-jiolahy amin’ny endriny samy hafa. Tsy vitan’ny mandroba sy mangalatra fotsiny ireo olon-dratsy, fa tena mamono ihany koa, ka mahatsiaro ho valala voatango ny maro ankehitriny, toa tsy misy ianteherana, fa manana fiadiana, sy mihantsy ny mpitandro filaminana mihitsy ireo jiolahy ankehitriny.

Ho fanoherana izay tsy fandriampahalemana izay, hanao dingana voalohany amin’ny hetsika ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny any Toamasina. Ny alarobia 25 Janoary tontolo andro, izany hoe rahampitso, samy hanao lamba mainty ho mariky ny fiombonam-po amin’ireo mpiray tanàna aminy namoy ny ainy vokatry ny tsy fandriampahalemana, sady ho mariky ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana ary koa mariky ny tsy fanekena ny “intervention” amin’ny endriny rehetra dia hisy ny hetsika manao akanjo mainty, na lamba mainty rahampitso io, any amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana. Voalaza fa ny intervention, na ny fisian’ny resaka tsindry, no anisan’ny mampahazo vahana izay tsy filaminana izay any an-toerana.

Ho an’ny mpanao facebook araka ny toromarika omen’ny tompon’andraikitra, tokony hamoaka ny sariny manao lamba mainty izy ireo ny andron’ny Alarobia 25 Janoary io (tontolo andro). Izany hoe tsy misy famoriana olona amin’io Alarobia 25 Janoary io, fa ilay fisalorana lamba mainty no hetsika iraisana, hisantarana ny hetsika sy tolona ho an’ny filaminana ao Toamasina.

Rehefa lamba mainty hoy ireo mpikarakara dia mety avokoa. Tsy anavahana na zaza na olo maventy na viavy na lehilahy, ndao samy hanao lamba mainty. Raha tena hisy tokoa ny firaisankina amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay, tokony ho rakotra mpanao lamba maity ny renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara. Arahantsika eo ny ho tohin’izany, sy ny akony amin’ny ho fandraisan’andraikitry ny tompon’andraikitra amin’izay resaka filaminana sy fandriampahalemana izay any an-toerana.