Hoavin’ny firenena – Marc Ravalomanana – Mila mandray andraikitra ny tanora, vonona aho hanampy azy ireo

Ny Valosoa

Nanome toromarika sy fampiofanana ny tanora TIM Analamaga ny filohan’ny antoko, Marc Ravalomanana niaraka tamin’ireo tomponandraikitra samihafa ny sabotsy 21 janoary lasa teo tao amin’ny foiben’ny antoko TIM Ampandrana Bel’air. Izao no nambarany tamin’izany.

Fitenin’ny olona foana ny hoe: “ny tanora no hoavin’ny firenena”. Tsisy hoavy izany eo raha tsy azonao ny fahefana. Dia raiso an-tanana àry ny hoavinareo ry tanora. Manàna fahasahiana, mijoro ary mandray andraikitra. Ny finoana koa. Eo ny finoana an’Andriamanitra fa ilaina ny finoana na nt “self-confidence”. Mila mahatoky tena.
Fanofanana fototra no omena anareo androany. Ary tsy maintsy ampiasaina izany rehefa tafaverina any amin’ny toerana misy anareo ianareo, eny amin’ny fokontany, eny amin’ny kaominina, eny amin’ny distrika. Tsy maintsy miasa haingana ianareo satria ho tapitra amin’ny 31 janoary ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. […]

Hatramin’ny nanentanako ny TIM sy ny RMDM, tao anaty iray volana dia 2 tapitrisa ny isan’ny mpifidy azontsika. Fa na izany aza dia mbola tsy tratra ny tanjona. Mbola misy ihany ny miahotrahotra… Hoy ny sasany: “’zahay leo politika prezida”. Ny anareo no be indrindra raha leo ‘nareo ho’aho. Ho leo ny fiainanao koa ianao ny farany. Aza leo ‘zany. Aleo manao foana dia mila entanina izy. Raha mbola misy koa ny farany, tsy very ny fanantenana fa korazy.

Ilaina ny firaisankina. Na olona mahasosotra àry, aza ilay tarehin’ilay olona no jerena, fa ny asa atao miaraka. Hoe: “hay i ianina ve? Izaho tsy handeha!”. Diso be izany amin’izao toetrandro izao. Vato iray mikaonty. Tsy maintsy ataontsika izay azahoana azy. Aza adino fa tsy maintsy misy foana ny fahasamihafana. Isika izao maka olona avy any ivelany hanantona antsika. Ilay “façon” , ilay “approche”, ilay fomba ijerevanareo ilay olona, “eye-contact”, mijery ahy ianareo dia fantatro ny tianao ho resahina, ny fahaizanareo mijery, izay no ilaina.