TORITENY NAMPISAFOAKA ?

Anananao ny hery be, anananao ny fahefana,
Ka ‘zay toriteny ve dia hampisonga tosidra?
Sa nahatsiaro fa voatsindrona ka tsy andry ny hiravana,
Hanatonana, hitarainana amin’Ingahy prezida?

Mahalasa saina ihany raha hoe olon’ny fiangonana
No manao tahaka ireny raha misy ny manjo.
Tsy aleo ve resaka mangina na mba hoe an-katakonana?
Sa tsy hay ny nampitony na mba hoe nanindry fo?

Io tsy familiana fiara ka ampiakarana vitesy,
Fa avaho ny “rotoroto” sy ny ambara ho “hafainganana”.
Raha mihaino toriteny, tsisy resy na mpandresy,
Fa ny tenin’Andriamanitra no hitondra fiadanana.

…Ka amboary re ny seza sy fehikibo fiarovana,
Dia meteza hanainga indray, ny hatezerana esory.
‘Ndeha amboary koa ny fo tsy ho vetivety dia torovana,
Ary raiso ho fanitsiana izay lazain’ny mpitory.

DADAN’i ZINA (22-01-23)