POTIKA NY RENIVOHITRA !

Aza mitaraina lava ry vazahabe tsisy hapoaka,
Fa ianao no te ho eo, tsy hoe an-tery fa safidy.
Feno loto ny tanàna, mihamijaly ny vahoaka,
K’aza ilaozana midify fa esory ny mangidy.

Ianareo ‘zao no manjaka, anareo ny fahefana.
(Tsisy didy avy any ambony mety mbola hanelingelina!)
Saingy dia nahoana re no tsy mivoatra ny tanàna,
Sa ‘nareo mihitsy lahy no efa donto sy domelina?

Inona no mampikaika, vola ve no manahirana?
(Moa tsy hoe ‘nareo indray ilay manam-be mpanapitrisa?)
Sa dia lany tamin’ny inona no tsy misy ny mangirana?
Nefa anie ny taom-piasana efa tena kely sisa!

Moa ianao tsy te hiafina ry vazahabe tsisy hapoaka,
Manoloana iretsy lalana efa tsy azo andehanana?
Ao ireo efa toy ny dobo, feno lavaka, loadoaka,
Ka ianao ve mbola hiteny hoe “mety be ny fitantanana”?

Ny nanebaka ny hafa no nataonareo taloha,
Kinanjo nony niaka-tsehatra, toa tsy hita izay nafitsoka!
‘Zao Iarivo, toy ny maty, miandry indray izay hampifoha,
Fa hatramin’ny fanalahidy no efa hita ho nipitsoka!

…Tokana no azo ambara: potika ny renivohitra,
Ka mba inona no teny avy aminao Rafanjakana?
Moa hilaza ve ianao fa mbola avy amin’ny mpanohitra,
Mbola avy aminy ihany koa ny loto sy ny fahantrana?

TSIMIMALO (20-01-23)