MITOHY NY HADALAM-BAZIMBA

Vazimba o! mihevera fa efa ihomehezana
Ianao mievotrevotra be piti-drora.
Ny mety, atsaharo, aoka izay ny letrezana.
Aleo re mipetraka sao ho voakora!

Jereo izato tena fa tapak’amponga,
Kanefa dia mihantsy hifamely diamanga.
Efa tena ihomehezan’iretsy kilonga,
‘Nareo mpiara-dia amin-dry lavasanga!

Ianao ilay malaza ho mpanao tsidi-pahitra,
Nefa mpampiady ireo olom-piangonana.
Andeha ka tandrovy ihany ny voninahitra,
F’aza dia faly ny mitonantonana!

Zava-tsy hay aza ibitabitahana.
(Ianao tsy mpitory nahavita fianarana!)
Aleo mba mipetraka raha lany fahana,
Ianao ry vazimba mpanao hasomparana.

…Ny tsara aminao dia ny manao kanety,
Ny ankoatran’izay , fandrerahana tena .
Aza dedaka lava ny hiseho ho vedety,
Ry efa nilaozan’ilay fahendrena!

IRINA HO TAFITA (20-01-23)