Fifamoivoizana – Mitoka-monina ny tanànan’i Morafenobe

Aly

Azo lazaina ho mitoka-monina amin’izao fotoana ny tanànan’I Morafenobe any amin’ny faritra Melaky, noho ny fahatapahan’ny lalana mankany an-toerana. Tapaka tanteraka ny “radier” ao amin’ny 1 km tsy hidirana ny tanànan’i Morafenobe, faritra Melaky. Nanomboka ny zoma teo izany, ka tsy afaka miditra any an-toerana ny fiara avy any Ambatomainty sy ny avy any Maintirano. Tsy afaka mivoaka koa ny fiara avy ao an-toerana, eny fa na dia misy marary mila vonjy aina aza, tokony hoentina mamonjy hopitaly lehibe, toy ny tranga iray hita ny alatsinainy teo, izay tsy tana ny ain’ny marary saika hoentina tany Maintirano, satria tsy tafavoaka ny fiara nitondra azy.

Vokany: miakatra daholo ny vidin’entana ilaina andavanandro. Tafakatra 2 000 Ar ny iray kapoaka amin’ny siramamy raha 1500 Ar izany teo aloha. Lasa 12000 Ar ny menaka iray litatra, raha 8000 hatramin’ny 1 000 Ar teo aloha. Vidina 6000 Ar/kg ny lafarinina raha 5000 Ar teo aloha. Tafakatra 7000 Ar koa ny kapoakan’ny kafe, izay novidina 5000 Ar teo aloha.

Misy ny vahaolana vonjimaika apetraky ny tomponandraikitra ao an-toerana, mba hahatonga ny mpandeha tsy hiroboka anaty rano rehefa miampita. Misy voay ity rano ity, ka atahorana ny fiampitana aminy.