Toriteny teny Antsonjombe – Niteniteny foana indray ny depiote Naivo Kely

Beharo

Gaga sy talanjona ny maro nahare an’ilay depiote firaisana faha-V naivo Raholdina, na i Naivo Kely, fa ny filoha Marc Ravalomanana hono, no nitehaka voalohany teny Antsonjombe momba ilay toriteny izay natao. Tsorina anefa hoy ny antso azonay fa sary sy feo no hitan’io depiote io, vahoaka marobe no teny izay samy naneho ny hafaliany, ary tany andamosin’i Dada izy ireo raha tazanina, ka tsy hahita izay tehaka nataony teo, tsy nahita azy nihorakoraka sy nifandray tànana ohatra, nefa dia efa halako bika tsy tiako tarehy mihitsy ka tsy mahagaga. Nanamafy koa ireo avy lavitra niantso ny gazety fa miteniteny foana ity depiote ity raha mbola ny raharaha Jesosy mamonjy no havandravandrany eo, nefa izy ihany no efa rangory fototry ny afo hatrizay, tsy mahay mandamina fa dia manakorontana hatramin’ity androany. Ny dikany dia nanondrana indray i depiote Naivo Kely momba iny toriteny teny Antsonjombe iny.

Nanambara ihany koa ireo mpivavaka, fa sady fotoam-bavaka natokana ho an’ny filohan’ny Fjkm iny, no FITONDRANA AM-BAVAKA NY TAOM-PIASANA 2023 ihany koa, ka tsy mahadiso ny pasitera Zaka Andriamampianina mihitsy raha nasiany resaka ASA ny teny izay nataony, mba tsy ho asa tandrevaka, mba ho fifidianana marina, mba ho fambolena sy fiompiana ara-drariny, ka ny bala mba ho vokatra, ny basy atao angady sy ny sisa, raha ny andian-teny izay nivoaka, fa ny tsirairay no maka izay tandrify azy. Isika dia samy mahatsapa izao fa vao miandoha ity ny taona dia efa manakoako sahady ny GREVY manara-penitra etsy sy eroa: mpiraki-draharahan’ny fitsarana, mpitondra fiarabe fitaterana, mpampianatra amin’ny Lisea,… Mazava fa toriteny mahakasika ireo rehetra ireo no natao.

Raha fintinina dia ohatra mazava avokoa ireny toriteny ireny, ka tandremo ry kristiana fa mitady hanimba ny Fjkm koa ity depiote ity ary mitady ny fomba hanesorana minisitra 4 tsy levon’ny vavoniny ihany koa. Sady mpanenjika ny namany ny depiote Naivo Kely izany, no mitady anakorontana koa ny FJKM.