19 Janoary – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety izao manaraka izao:

Ny tenin’ Andriamanitra dia toy ny “sabatra roa lela ka mahazo ny nofo, ny fanahy, ny vanintaolana hatrany amin’ny tsoka : “ka maro no tsy mahazaka azy ka tezitra, nefa tokony hibebaka sy hiova. Ny tenin’ Andriamanitra dia natao ho fampianarana, fandresen-dahatra ary fanitsiana ny diso. Ny vahoaka malagasy manontolo no tokony hanao ny fahamarinana sy ny rariny ary ny mety, ka samy maka lesona amin’ ireny toriteny ireny. Fahadisoana ny mitsaratsara satria an’ ny Tompo ny fitsarana fa tsy an’ ny mpanenjika.” Miovà – mibebaha – miambena – miorena – mifankatiava tsara isika, fa ny toy izany no mpianatr’i Kristy!

Donnatien Albin Razafindrakoto
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao