Orinasa Airtel Mobile – Olon-dratsy maromaro nisintona vola tao amin’ny kaontiny

Ny Valosoa

Nanambara ny orinasa Airtel Mobile Commerce Madagascar S.A. fa olon-dratsy maromaro no nisintona vola tao amin’ny kaontiny. Tao anatin’ny fotoana fanatanterahana ny asa fikojakojana ara-teknika ny “Bank to Wallet” izay niarahana tamina banky iray eto an-toerana dia nisy olon-dratsy maromaro nanararaotra nisintona vola antsokosoko tao amin’ny kaontin’ny orinasa Airtel Mobile Commerce S.A. Izany dia fihetsika niniana natao tamin’ny alalan’ny fidirana tao amin’ny *436#, ka nahafahan’izy ireo nisintona vola tsy azy ireo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna.

Niteraka fahavoazana ara-bola ho an’ny orinasa Airtle Mobile Commerce Madagascar S.A. izany ka nahatonga ity farany nametraka fitoriana noho ny fidirana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna tao anatin’ny rafitra anatin’ny orinasa sy ny fisintonana vola tsy ara-drariny. Efa natolotra ny fitsarana mahefa moa ity raharaha tsy fanarahan-dalàna ity.

Ary manoloana ny fampielezana vaovao eny anivon’ny tambazotra mahakasika ny fandefasana vola tamin’ireo mpampianatra FRAM dia tsipahany marindrano fa tsy nisy velively izany fandefasana vola avy amin’ny orinasa Airtel Mobile Commerce Madagascar S.A. izany. Ny orinasa Airtel Mobile Commerce Madagascar S.A. dia miasa tsy ankiato ho famerenana ny “Bank to Wallet” izay voakasik’ity raharaha ity amin’ny laoniny.