Tanora Tim Analamanga – Tanora vonona hiatrika ireo fifidianana ho avy

Niaina

Ny herinandro teo, no niarahaba ny filoha Marc Ravalomanana tratra ny taona teny Faravohitra, ny avy amin’ny mpitarika ny Tanora TIM Analamanga. Nisongadina tamin’izany, fa vonona hiatrika ireo fifidianana rehetra ho avy eto amin’ny firenena ireo tanora ireo, indrindra ny mahakasika ny fifidianana filohampirenena ho tanterahana amin’ity taona ity. Noho izay antony izay, ny Tanora TIM Analamanga dia manasa ny tanora rehetra tsy ankanavaka ny sabotsy 21 Janoary 2023 ho avy izao eny amin’ny QG Bel-Air, hanatrika ny fampiofanana ny tanora amin’ny fiatrehana ny fifidianana isan-tsokajiny.

Ankoatr’izany, tafajoro ny mpitantana ny Tanora, na ny Jeune Tim ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo amin’ny faritra Analamanga. Ny filoha dia Hery Ranjalahy, filoha lefitra Lalaina Raharisoa, sekretera jeneraly Michaël Rakotomavo, mpitan-tsoratra Malala Tiavina, Mpitatam-bola Tsahala Rakotoelison, serasera Soloniaina Faly.

Ny Tanora Tim Ivato omaly, no nandray ny fihaonana voalohany tamin’ireo mpitarika ny Tanora TIM amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ireo. Tamin’izany no nampahafantarana ireo mpikambana ao amin’ny birao mpitantana ny Tanora TIM Ambohidratrimo. Natao ihany koa ity fivoriana ity, ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny fiofanana hotontosaina ny sabotsy ho avy izao ao amin’ny QG Bel’Air.