Rivodoza Cheneso – Mety hiditra eo anelanelan’i Vohemara sy Cap Est anio

Stefa

Nitombo hery ka lasa rivodoza: “Dépession Tropicale” Cheneso ilay andro ratsy niforona ao amin’ny Ranomasimbe Indiana. Nikisaka niakandrefana izy io ka mahafaka 35 Km/ora. Tany amin’ny 360 Km somary avaratra atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny omaly. Niakatra ho 75 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 105 Km/ora. Tombanana hiditra an-tanety anio alakamisy eo anelanelan’i Vohemara sy Cap Est ity rivodoza Cheneso ity, ka mety hitondra tafiotra manodidina ny 100 km/ora ka hatramin’ny 120 km/ora.

Ireo filazana loza mahakasika an’izay:
– Filazana miloko mavo na filazana loza manambana: faritra Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana;
– Filazana miloko maitso na filazana fanairana: Alaotra Mangoro sy Sofia.

Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Cap d’Ambre sy Mahanoro mba tsy hiandriaka intsony.