EDITO 19 Janoary – Toritenin’i Pasitera – Ny kentrina ihany no tsy mahazaka ny marina

Sôh’son

Miditra tanteraka ao anatin’ny volon’andro mamofona fifidianana isika amin’izao fotoana izao. Efa miditra ihany koa, indrindra ny eo anivon’ny fitondrana izay efa nandeha nialohan’ny fotoana, amin’ny endrika fampielezan-kevitra na dia atao an-kolaka aza kanefa indraindray atao mivantana mihitsy. Miova araka izany ny toe-tsain’ireo mpanao politika, indrindra ireo mpanohana sy mpisolelaka amin’ny fitondrana. Ny eo anivon’ny fitondrana rahateo efa tafiditra ao anatin’izany. Ny ao an-tsain’izy ireo mandrakariva, dia hoe nety hatrany ny nataony teto amin’ity firenena ity tao anatin’izay efa-taona naha-teo amin’ny fitondrana azy izay. Hoan’ny mpandinika ny fiainam-pirenena anefa dia mifanohitra amin’izay no zava-misy.

Mahantra ny firenena ary fadiranovana ny sarambabem-bahoaka tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, ary miha-mikorosy fahana ny fiainany. Mijaly ny vahoaka malagasy eo amin’ny sehatra rehetra, na ara-politika na ara-toekarena ary indrindra ny ara-tsosialy. Mandry andriran’antsy lava andro aman’alina noho ny firongatry ny asan-jiolahy, ny dahalo, ny tontakely, ny halabotry, sns… Vao omaly no ho omaly aza, jeneraly no nisy nanafika tao an-tranony, dia ahoana izany ny amin’ny olon-tsotra, manamboninahitra ambony toy izany aza, sahin’ny jiolahy tafihana. Mahatsiaro ho tsy misy mpiahy sy tsy misy mpiaro intsony izy. Mandohalika ilay vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao noho izany tranga izany, izay manampy trotraka ny daroky ny fidangan’ny vidim-piainana isan’andro, izay tsy voafehin’izao fitondrana izao velively. Very fanahy mbola velona sy toy ny valala voatango ilay vahoaka.

Fitondrana tsy nahavita ny andraikiny no nahatonga izany rehetra izany, fa fialàna bala tsy mitombina ny filazana ny covid-19 sy ny loza voajanahary, sy ny ady any Ukraine. Tsy fahaiza-mitantana tsotra izao no azo ilazana azy. Mbola sahy hiafina ao ambadiky ny resaka fampandriana adrisa sy fitapitaka samihafa ihany ve izao fitondrana izao?

Nazava ny nambaran’ny mpitondra fivavahana nampita ny hafatr’Andriamanitra teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny Alahady lasa teo. Ny momba ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny manjaka eto amin’ity firenena ity tao anatin’izao fitondrana izao, ny tsy fahaizana mitantana ka voakasik’izany ny momba ny rano, ary indrindra ny tsy fandriampahalemana. Nanome vahaolana ny fiangonana hialàna amin’izao fahantrana lalina iainam-bahoaka izao, sy isorohana ihany koa ny loza mety ho avy any aoriana. Ny kentrina sy ny manao solomaso mainty ihany no tsy mahita ny marina tokony hizoran’ny firenena, sy tsy mitsinjo ny hoavin’ireo taranaka any aoriana, fa ny eo an-tendron’orony no hitany, ary tsy miaiky fa marina izany sy tsy mahazaka ny teny mahitsy mikendry ny rariny sy hitsiny ary indrindra ny fahamarinana. Sanatriavina kosa raha mbola avela hiha-potika bebe kokoa noho izao ity firenena ity, fa ampy izay sy izao mafy iharetan’ny vahoaka malagasy izao.