IFIKIRO NY FAHAMARINANA

Fara lalana mahitsy sy tsy misy fiolahana,
Izany izao no misy antsika ry mpitondra fivavahana,
Ka manasa anao hijoro sy hiatri-panadinana,
Handrefesana f’ianao dia olon’ny fahamarinana!

Aoka tsy hihodinkodina ka hiseho tsy te ho ratsy,
Na hiseho tsy momba ny etsy sady hoe tsy momba ny atsy,
Fa ny zavatra tsy mety, aleo asiana fitenenana,
Sao fotoana fohy ihany dia hanjary hanenenana!

Tena ianao vavolombelon’i Jesoa no aoka hijoro,
Ka hiroso tsy hatahotra an’ireo mpampihorohoro.
Madagasikara sambatra, miavaka amin’ireo nosy,
Izay no tanjona hokendrena sady tena ilofosy!

Tsy hilanja basy ianao na koa hoe lefona maranitra.
Ampy anao ny fanarahana ireo tenin’Andriamanitra.
Mirosoa eo anoloana, mijoroa ho kingakinga.
Ny finoana no ifikiro mba ho solon’ny ampinga.

…Efa tazana sahady ilay amboaram-pandresena.
Maro no efa mino izany sady tena manantena!
Ianao mpitarika mahery no hitondra ho amin’izany,
Ary ny fahamarinana, izay no lalana mankany!

DADAN’i ZINA (16-01-23)