Voalaza ho nisoloky vola an-tapitrisany – Anarana mpikambana amin’ny CENI voatonontonona

Ny Valosoa

Tranga mampalahelo sy mahazendana ary mampiteny ny moana, no nitranga vao tsy ela izao, voalaza ho nisoloky vola an-tapitrisany, anarana mpikambana amin’ny CENI, voatonontonona.

Mpikambana iray ao amin’ny CENI, Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana, izay hevderina ho olon-kendry sy marina, nametraham-pitokisana hitantanana ny fifidianana, no voatonontonona ho mpisoloky avo lenta. Fianakaviana amam-polony avy amina faritra maromaro eto Madagasikara no voajonony. Lasa saina ny maro amin’ny hoe, mbola ho azo antenaina ve ny mety ho fahamarinan’ny voka-pifidianana, raha olona hitantana fifidianana no tia vola toy izany?

Raha ny vaovao voaray sy nohamarinina, vola an-tapitrisany no nambaran’ireto fianakaviana ireto ho notangosin’ity tompon’andraikitra ambony eo amin’ny Kaomisiona mahaleotena misahana ny fifidianana ity. Nolazaina tamin’ireo olona ireo, fa saram-pandraisana anjara mba hahafahana misitraka ny fidirana ho mpiasam-panjakana izany volabe izany. Maromaro no roboka avy hatrany, ary voajonon’ity tomponandraikitra ity. Sehatr’asa maromaro isan-tsokajiny, no nampanantenain’ity mpikambana eo anivon’ny CENI ity, ho an’ireto fianakaviana manam-paniriana ho tafiditra mpiasam-panjakana ireto: asa amin’ny ministera maromaro toy ny ministeran’ny vola, ny ministeran’ny asa, sy amin’ny sampandraharaha isan-karazany eto amintsika. Marihina fa arakarak’ilay sehatr’asa safidiana no namaritany ny vola naloa. Nisy nahatratra hatramin’ny 60 tapitrisa Ariary ny vola notakiana tamin’ny fianakaviana. Lasa anefa ny andro sy ny volana, niova rahateo ny taona, tsy mbola tanteraka ny fampanantenana nataon’ity tompon’andraikitra ambony ity hatreto.

Manaitra ny tompon’andraikitra misahana ny ady amin’ny kolikoly ireto fianakaviana voafitaka ireto, mba hijery akaiky izao asa fisolokiana izao.