Dr Irako Andriamahazosoa Ammi – Misalotra kasikety 3 ny filohan’ny FJKM amin’ity taona ity

Isambilo

Misalotra kasikety 3 ny filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, amin’ity taona 2023, ankoatra ny maha-filohan’ny FJKM azy, filohan’ny FFPM (Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara) ihany koa izy amin’ity taona ity ary filohan’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara). Ny FFPM dia ivondronan’ny fiangonana FJKM sy FLM, miova isaky ny roa taona ny filohany, mifandimby filohan’ny FFPM ny filohan’ny FJKM sy ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM).

Ny FFKM: ivondronan’ny fiangonana 4 lehibe eto amintsika dia ny FJKM, ny katolika EKAR, ny FLM ary ny EEM na ny fiangonana Anglikana. Mifandimby filoha isan-taona ny filohan’ireo fiangonana 4 ireo, ka amin’ity taona ity dia ny filohan’ny FJKM indray, no handimby ny filohan’ny fiangonana Anglikana Mgr Ranarivelo Samoela Jaona amin’ny fitarihana ny FFKM, ny alahady izao no hatao ny famindram-pahefana eo amin’izy ireo. Ho an’ny FFPM dia efa vita tamin’ny alahady 8 janoary ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny FJKM sy ny filohan’ny FLM Dr Rakotozafy Denis.

Efa miresaka ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi ihany, vita ny alahady teo ny vavaka ho an’ny filohan’ny FJKM sy ny fianakaviany ary nitondrana am-bavaka ny taom-piasan’ny FJKM taona 2023 koa, teny Antsonjombe. Fanao isan-taona isaky ny alahady fahatelo amin’ny volana janoary izany fotoam-bavaka lehibe ho an’ny FJKM izany. Fanamby 3 lehibe no apetraky ny filohan’ny FJKM sy ireo ondriny manerana ny Nosy amin’ity taona ity: ho taonan’ny finoana, ny asa ary ny fankatoavana ity taona ity hoy izy. Ezahan’ny fiangonana ny hanaovana sekoly amin’ireo distrika miisa 111 eto amin’ny Nosy, ny hanorenana Oniversite FJKM miisa 3, ny roa amin’izany no efa tafatsangana.