Toliara. Filoha Ravalomanana – Miainga any amin’ny faritra ny fampandrosoana tadiavintsika

Isambilo

Lanonana 3 sosona no notanterahina tany Toliara faritra Atsimo andrefana ny sabotsy teo. Teo ny kongresin’ny antoko TIM Atsimo Andrefana; ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko, izay narahana fampahatsiahivana an-tsary ireo lalana sy asa fampandrosoana vita sy nolalovan’ny antoko, ary ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2023.

Nambaran’ny filoha Ravalomanana, filoha nasionalin’ny TIM sy ny RMDM tamin’izany fa: ”ireo olom-bitsy mahazo tombontsoa manokana amin’izao fitondrana izao sisa, no sahy milaza fa mandroso ny firenena. Ho an’ny 90% ny Malagasy dia fahantrana lalina no iainana, sakafo tapakibo isan’andro, miaraka amin’ireo olana sy tebiteby tsy maintsy hatrehina. Tsy irery ianareo ary aza manary toky. Ny fampandrosoana izay tadiavintsika dia fampandrosoana miainga avy any amin’ny faritra, noho izany dia mitaky ny firaisankina sy fiaraha-miasa ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka ny famonjena sy ny fanavotana ny firenena. Faritra manana ny maha izy azy ny Faritra Atsimo amin’ny lafiny rehetra. Mila mahalala, mahay, ary mahavita isika: mahalala ny zavamisy marina sy ny hetahetan’ny vahoaka; mahay mitady vahaolana matotra sy maharitra mikasika ny tsy fandriampahalemana, ny kere sy ny fanamby hafa hatrehan’ny vahaoka; mahavita manatanteraka tetikasa mirindra misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka,” hoy izy.

Feno hipoka ny tao amin’ny Basia, ao amin’ny fiangonana katolika Sacré Coeur Tsianaloka Toliara tamin’io fotoana io, nisy mihitsy ireo tsy tafiditrany noho ny fahafenoan’ny trano, ka tany ivelany no nihaino ireo lahateny nifandimbiasana nandritra izany. Nikarakara izao hetsika tany Toliara izao, ny antoko TIM, ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, ny KMMR any an-toerana ary fikambanana maro samihafa any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.