Fitondrana Rajoelina – Mibirioka hatrany amin’ny tsy tokony halehany ny fisainany

Andry Tsiavalona

Tsy mitsahatra ny mibirioka any amin’ny tsy tokony halehany, ny fisainana sy ny ataon’izao fitondrana Rajoelina amin’izao Repoblika faha-IV andiany faha-2 izao. Amin’ny fotoana tokony handinihan-tena manoloana ny tranga sy tsikera ataon’ny olompirenena, na mpanohitra na olon-tsotra na samy ao anatin’ny fitondrana aza dia izay mahatsiaro tena ho voakasika dia mitraotra.

Raha ny tokony ho izy anefa dia mitsakotsako mandinika lalina izay voalaza aloha fa tsy mamaly bontana avy hatrany, satria midika fa nandratra ny tena izany ka « ny marina ihany no mandratra », hoy ny fitenenana (c’est toujours la vérité qui blesse). Midika ihany koa izany fa ny tena ihany no manana ny fahalalana sy ny fahefana amin’ny sehatra rehetra, ka tsy misy olompirenena afaka maneho ny heviny sy ny fomba fahitany ny toe-draharaha iray. Atomboka amin’ny filohan’ny Repoblika ny tranga mifandraika amin’izany, fony izy niverina avy any ivelany, ka namaly bontana niaro fampitahorana ho setrin’ny fanapahan-kevitry ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra nametra ny mpijery baolina teo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ary nilazany fa « fantatro daholo ianareo rehetra ireo ».

Tsy misy idiran’ny resaka politika na mpanao politika ny sehatry ny fanatanjahantena, fa misy rafitra mahaleotena mitantana izany. Toy ny eo amin’ny Foloalindahy dia na filoha faratampon’ity andrimpanjakana ity aza ny filohan’ny Repoblika, tsy midika izany fa orinasany ny tafika ary izy no patrô ka izay tiany sy mahafinaritra azy no asainy atao. Ny fanapahan-kevitra azony raisina dia raha sanatria ka misy firenena avy any ivelany hanafika ary ny minisitry ny fiarovam-pirenena etsy an-kilany dia tsy miaro olona na antokon’olona eo amin’ny fitondrana, fa miaro andrim-panjakana (institution) ary ny vahoaka sy ny fananany. Tsy hohadinon’ny Malagasy tokoa izay nataon’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, taorian’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny solombavambahoaka, dimy ambizato, ho fanehoany ny tsy fahombiazan’ny Praiministra sy ny Fahefana Mpanatanteraka iray manontolo mihitsy. Niaraha-nahita sy nandre ny fihetsiky ny filohan’ny Repoblika raha nampiantso depiote teny amin’ny Arena izay toerana foiben’ny antokony, ka nampitahorany sy nandatsany ary namingavingany ireo tonga teny. Tsy vitan’ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana ity fihetsika ity, fa tena mampiseho fiarovantena satria marina tsy azo ihodivirana loatra, tsy ireo depiote ihany fa na ny olompirenena tsotra aza, ny antony nanaovan’ny depiote ny fitsipaham-pitokisana.

Iaraha-mahatadidy ihany koa ny nasetrin’ny minisitry ny Asa Vaventy ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I, nanao fankianana momba ny tetikasa làlana migodana hampitohy ny Renivohitra sy Toamasina, izay tsy mazava ny momba ny famatsiambola sy ny orinasa hanao ny asa, satria tsy hita “trasy” fa nisy antso tolotrasa iraisam-pirenena (appel d’offre international) nataon’ny fitondrana. Tsy vitan’ny tsy manaja rafitra ny minisitra, satria tsy zony na andraikiny ny mampiantso solombavambahoaka, fa ny mifamadika amin’izany raha ny lalàna misy, fa nokobokoboin’ny marina, ka saika nanadio tena na saika nandresy lahatra tamin’ny fomba mifanipaka amin’ny tokony ho izy.

Maro ny mpitondra fivavahana no naneho hevitra momba ny toe-draharaham-pirenena nandritra izay efatra taona nitondran’ny ekipan-dRajoelina Andry ny Firenena izay. Tsy tamin’ny fivoriamben’ny antokom-pivavahana ihany, fa amin’ny Toriteny koa, Soratra Masina no anatsoahana fampianarana, ka tsy maintsy hamarinina amin’ny toe-draharaha misy sy iainana ireny, fa tsy atao manjavozavo fotsiny. Raha ny marina no tanisaina amin’ny toriteny dia tsy fitsabahan’ny Mpitondra Fivavahana amin’ny andraikitry ny mpanao politika izany, fa fanehoana an-tsary ny toe-javatra iainan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Nisy mpitondra nahatsiaro ho voatsindrona tamin’ny toriteny nantaon’ny Mpitandrina FJKM teny Antsonjombe, ny Alahady teo, dia naratra noho ny nampibaribariana ny marina, ka tsy nandinika sy nitady ny fomba hanarenana izay tsy nety natao, fa nitraotra sy namaly bontana, tsy niandry ny alina nitondra fisainana akory.

Nisy koa ireo mpomba ny mpitondra no mampitahotra sy nilaza hamoaka dosie momba ilay Mpitandrina. Nisy koa mpanao gazety nanoratra fa misy ireo mpino ao amin’ity antokom-pivavahana ity no tezitra, ka mampametram-panontaniana hoe misy kopak’isasahana, sa raha voadona ny afero dia marary ny aty ? Ny azo lazaina dia izay milaza ho mpino indrindra, no tsy maintsy manohitra ny tsy rariny sy ho mpandala ny fahamarinana, ka hanilika ny asan’ny maizina satria « ny Fahamarinana no manandratra ny Firenena. »