EDITO 17 Janoary – Toriteny teny Antsonjombe – Tsy voatana intsony ny tehaka ho an’ireo mpino

Beharo

Marina loatra, ary mifandraika amin’ny zava-misy mianjady amin’ny sarambabem-bahoaka amin’izao fotoana izao, noho ny tsy fahaiza-mitantana, sy tsy mety ataon’ny mpitondra ankehitriny ny toriteny teny Antsonjombe ny alahady lasa teo, ka tsy voatana intsony fa dia nitehaka ireo mpino nanatrika ny fotoam-bavaka nandritra izany.

Tontosa soa amantsara ny fotoan-dehibe nitondrana am-bavaka ny taom-piasana ho an ‘ny taona 2023, sy filohan’ny Fjkm mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi mianakavy, tetsy Antsomjombe ny alahady teo. Mpino kristiana marobe avy amin’ny fiangonana Fjkm no nameno ny kianja notronin’ireo manam-pahefana maro isan-tokony, hipoka tanteraka ny toerana, nisy ihany koa ireo tsy tafiditra, fa teny ivelany sy ny manodidina no nanaraka onjampeo sy fahitalavitra, malala-tànana no nanao izany.

Nahazo tehaka ny toriteny nataon’ny filoha lefitry ny Fjkm, Pasitera Zaka Andriamampianina, nanao tsindrom-paingotra ny zava-misy iainana tsy mandeha amin’ny laoniny eto amin’ny firenena, fanehoana ny tsy rariny mianjady amin’ny vahoaka eo amin’ny lafiny fiaraha-monina, tontolo iainana, sy ny ara-tsosialy, izay vokatry ny tsy fahamarinana sy ny tsy ara-dalàna, maizimaizina ara-politika sy fitantanana tsy mazava ataon’ny fitondrana Rajoelina sy ny forongony. Voalaza tamin’izany toriteny izany, fa raha andevon-karena, andevom-pahefana, andevon’ny fitiavan-tena no lasa mpitondra firenena, dia tsy ho tafavoaka ny firenena, ka mila olona tia fahamarinana sy rariny hatrany. Hita sy tsapa tamin’ilay toriteny, fa marobe ireo kristianina faly, nitehaka noho ireo ohatra mazava miainga amin’ny zava-misy iainana nataon’ity Pasitera ity. Tao koa anefa ireo nilaza fa tsy fambara ny toriteny toy ireny, nefa raha tsy misy ny fahamarinana, dia tsy hisy ny toe-karena handroso, ka ho farahidiny foana eny ihany ny firenena.

Tsorina hoy ireo mpivavaka marobe nandeha an-tongotra namonjy fodiana taorian’ny fotoana, fa tsara ny toy ireny, satria misy ho dinihan’ireo mpitondra sy ny entina ary fanaporofoana mazava fa Fjkm izy ireo eo amin’ny ara-pinoana, samy manana ny olon-tiany eo amin’ny ara-politika, ary mba samy afaka mitily sy mihevitra izay mety sy hahasoa hatrany amin’izay fotoan-dehibe hatrehina amin’ity taona 2023 ity, fa tsy sanatria atao tsindry aloka eny foana, toy izay efa nahazo ny filohan’ny Fjkm tany aloha, nampisotroina ny tsy fisotro teny Antanimena tamin’ny taona 2009.