TSY IZY INTSONY IANAREO

(Sary Tia Tanindrazana)

Hita taratra ianareo fa efa miady toy ny angely.
Tena tsy mahomby intsony, tena hoe “tsy mahavita azy”.
K’aza miandry ny hatsipy ery am-baravarankely,
Fa meteza hanapa-kevitra dia fehezo ny bagazy.

Toa tsy laitra ny hahita ireo lohandohany hitsoaka,
Ary dia hamela ho irery ireo mpanohana mavitrika.
K’aza miandry ny horakoraka sy ny hetsikay vahoaka,
F’apetraho ny fialana, izao dia ‘zao dia ‘ndeha misitrika!

Raha ny akoho no tsy naneno toy izay dia azo inoana.
F’efa lanin’ireo kary sy ny alika izay niserana.
Toy izay koa ‘nareo, tsy sanatria finoanoam-poana,
F’efa tena tsy izy intsony sady tsy azo ianteherana!

Koa haverina eto indray: andeha ilaozy re ny lasy,
F’efa ampy ny efa-taona izay nampahoriana anay.
Efa tofoka sy leo ny ankamaroan’ny Malagasy,
Ka dia teny tsotra ihany: mialà fa ampy izay!

TSIMIMALO (12-01-23)