ANY IANAO RATSITONONINA

Ratsy sady tsy namboarina iretsy lalam-pirenena,
Nefa ianao nihiaka fatratra ary koa nampanantena.
Ka ny anay dia tsotra ihany, hajao ny teny izay nomena.
‘Ndeha miala am-panajana fa izay no fahendrena!

Tsy hitera-pandrosoana ho an’ny tanindrazantsika,
Ny hampidirana amboletra ity ilay hoe teleferika.
Saim-bahoaka no ahodina, ary izany no midika
Fa ho anao dia fandaingana ny fanaovam-politika!

Impiry izao ny ekipanao no efa re fa hoe nivoaka,
Nefa nisy ve voandalana nahasoa ireo vahoaka?
Ny nitombo dia ireo noana, tena reraka manoaka.
Tsy araka ny hoerahoera na kabary mipoapoaka.

Izay hohaninay anio no ‘ndeha ataovy lohalaharana.
Izany izao no hetahetan’ny olona isam-baravarana.
Fa raha mbola rediredy, laingalainga tsy mifarana:
Aoka izay fa tsy ireny no hitondra fivoarana!

DADAN’i RIANA (12-01-23)