Antsohihy faritra Sofia – Vonona hitarika amin’ny fandresen’ny antoko ny Tanora TIM

Isambilo

Vonona hitarika amin’ny fandresena ho an’ny antoko ny jeune n any Tanora TIM any Antsohihy faritra Sofia. Mibanjina amin’ny fiatrehana ny ho avy koa amin’izao fotoana ny Tanora Tiako i Madagasikara (TIM) any Antsohihy. Mifanaraka amin’ny politika tian’ny antoko misy azy ireo havoitra izany, ny amin’ny fametrahana ny fampandrosoana ny firenena izay latsaka ankaterena ankehitriny. Ny fahazoana fandresena amin’ny fifidianana hatrehana amin’ity taona 2023 no anisan’ny tanjona amin’izany, araka ny nambaran’i Judicaël Cartelo, Filohan’ny Jeune TIM Sofia.

Tontosa ny sabotsy 14 janoary 2023 teo, tao amin’ny Tropic Hotel ny fikaonandoha niarahan’ny Tanora TIM natao tany an-drenivohitry ny faritra Sofia. Nifanindran-dalana tamin’izany koa ny fiarahabana tratry ny taona 2023, nisy koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nandray anjara tamin’ny fiofanana niarahan’ izy ireo tamin’ ny AFTP, avy any Mahajanga. Manoka-baravarana ho an’ny rehetra ny Vondron’ny Tanora TIM any Antsohihy ary efa miparitaka eran’ny Kaominina misy any amin’ny renivohitry ny faritra Sofia izany. Tanjona ny hanomezana fiofanana ny tanora hoy ny mpitarika, mba hahafahany miatrika sy manarina ny hoaviny.