Kaominina Alasora – Hanampy ireo mpanala fanadinana BEPC sy BACC

Isambilo

Hanampy ireo mpanala fanadinana BEPC sy BACC amin’ity taom-pianarana 2022- 2023 ity, ny kaominina Alasora ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, tarihan’ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa. Cour preparatoire Bepc et Bacc 2023, no iantsoana izany hetsika ara-panabeazana izany, ho fanatsarana ny voka-panadinana ao amin’ny Zap Alasora.

Nambaran’ny ben’ny tanàna fa:” ny kaominina Alasora dia manome cour maimaimpoana ho an’ireo mpianatra eto amin’ny Zap Alasora, ka hanomana ny Bepc sy Bacc amin’ity taona ity. Ny fisoratana anarana : ao amin’ny commune alasora hanomboka ny alatsinainy 16 janoary 2023. Ny fanombohana ny fianarana tohana: ny Bepc ny volana febroary ao amin’ny Ceg Alasora isaky ny sabotsy. Ny Bacc: A, C, D, L, S, OSE, ny volana aprily ao amin’ny Lycee Tasc Alasora isaky ny sabotsy koa.”