Toetrandro – Ahiana hisy rivodoza hahakasika antsika amin’ny herinandro ho avy

Stefa

Ahiana ny fisian’ny rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara amin’ny herinandro ho avy io, araka ny vinavinan’ireo mpamantatra ny toetrandro. Amin’ny herinandro manaraka: ny 16 ka hatramin’ny 22 Janoary izao, dia harahi-maso akaiky ny fivoaran’ny rivodoza manodidina an’i Madagasikara. Satria vinavinaina hitoetra ireo fepetra manome vahana ny fivoarana rivodoza manakaiky an’i Madagasikara.

Noho izany, ahiana mafy ny hisian’ny rivodoza mety hahakasika ny distrikan’i Vohemara, Sambava, Antalaha, Maroantsetra, Toamasina, Vohibinany, Vatomandry, Antanambao Manampotsy, Mahanoro, Nosy Varika, Mananjary ary Manakara. Amin’izao fiafaran’ny herinandro izao kosa, hatramin’ny rahampitso 15 Janoary, tsy misy ny fanahiana momba ny rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara na dia mety hisy fiforonana rivodoza aza ao amin’ny ranomasimbe Indiana.

Efa tokony hiomana arak’izany ireo faritra voalaza fa mety handalovan’ny rivodoza ireo, amin’ny fanamafisana ny trano fonenana, ny fanapahana ireo hazo mety hitera-doza, hanangona ireo zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro, sns… Ny irariana dia hivily lalana izany loza manambana sy mananontanona antsika izany.