Finoana – Fotoamben’ny kristiana FJKM rahampitso eny Antsonjombe

Rajo

Fotoamben’ny mpino kristiana Fjkm rahampitso alahady eny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Fotoana hitondrana am-bavaka ny filohan’ny Fjkm, ny dokotera Irako Andriamahazosoa Ammi mianakavy, sady fanokafana ny taom-piasana 2023 ihany koa.

Hikatona avokoa ny fiangonana eto Antananarivo sy ny manodidina rahampitso. Manao fanamiana miavaka ireo sampana samihafa eny anivon’ny fitandremana ary miara-mipetraka amin’ny synodamparitany misy azy tsirairay avy. Amin’ny fito ora maraina dia efa misy ny asa sy fampaherezana eny an-toerana ary amin’ny sivy ora sy sasany, no hanomboka ny fanompoam-pivavahana. Hivantana amin’ny Radio Fahazavana sy ny haino amanjery televiziona tsy miankina, ny hetsika eny amin’ny Coliseum Antsonjombe rahampitso io.

Marihana mahakasika ny filohan’ny FJKM, izy indray no ho filohan’ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara amin’ity taona 2023 ity, hisolo ny filoha amin’izao fotoana, ny filohan’ny fiangonana Anglikana Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Miova isan-taona ny mpitarika ny FFKM.