Fahapotehan’ny RN2 – Tsy hihemotra amin’ny fitokonana ireo mpitondra kamiao

Stefa

Ho raikitra fa dia hanao fitokonana ireo mpitondra fiara vaventy, na kamiao amin’ny lalampirenena faha-2 na RN2 iny, hanomboka rahampitso 15 janoary. Io no nambaran’ny filohan’ny SCPM, syndicat des chauffeurs professionnels de Madagasikara, na sendikan’ireo saofera matihanina eto Madagasikara, Joel Rakoto.

Hanomboka rahampitso alahady izany fitokonana hataon’izy ireo izany, ka tsy hifarana raha tsy mandray andraikitra mamaha ny olan’ny fahapotehan’ny lalana izao ny fitondram-panjakana. Olan’izy ireo ny fahasimban’ny fiara noho ny lalana ratsy, ny loza mety hitranga, ny fahaverezam-potoana be noho izay lalana potika izay,… Araka ny nambarany, mpamily kamiao an’arivony no handray anjara amin’izany grevy izany ary miantso ireo rehetra mampiasa ny lalampirenena faharoa koa izy ireo hanatevina ny hetsika hataony. Raha tsy hahitana vahaolana haingana izao hetsiky ny mpamily kamiao izao, hikatso avokoa ny famatsiana karazan-javatra maro ho an’ny renivohitra, sy ny faritra ivelan’i Toamasina.

Mahakasika ny ho fanarenana ny RN2 io, nanambara ny ministra tompon’andraikitry ny asa vaventy, fa haverina ny fanaovana appel d’offres, na ny fiantsoana tolo-bidy hataon’ny minisiteran’ny asa vaventy amin’ny herinandro, fa raha ny voalaza dia tsy namokatra ny natao teo aloha. Voalaza tamin’izany fa amin’ny 15 febroary, no hanomboka ny fanamboarana ny RN2. Ka ho sahirana eto isika izany mandra-pahatongan’izany, satria tsy hihemotra amin’ny fampikatsoana ireo mpitondra fiara vaventy. Hita fa fitondrana tsy manana vahaolana matotra sy maharitra no misy, fa dia vonjy tavanandro hatrany, efa mirehitra ny afo vao miezaka mamono ry Rajoelina sy ny forongony.