Tanora TIM Analamanga – Nahazo fiofanana sy toromarika tamin’ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Anisan’ireo tonga niarahaba ny filoha Marc Ravalomanana, teny Faravohitra, noho ny Asaramanitry ny taom-baovao 2023 koa tamin’ity herinandro ity, ny solontenan’ny Tanora TIM eto Analamanga. Anisan’ny kitro ifaharan’ny antoko ny tanora amin’ny fifidianana ho avy eto amintsika. Nisongadina tamin’izao fihaonana izao, fa vonona sy sahy ireo tanora ireo, ny ho amin’ny fanentanana, ny fanomezana fiofanana ny tanora Tim eny amin’ny misy azy ireo tsirairay avy, rehefa nahazo toromarika sy fiofanana avy tamin’ny filoha Marc Ravalomanana. Navoitran’izy ireo fa vonona ny tanora TIM hametraka ny ho aviny amin’ity taona 2023 ity, miaraka amin’ny filoha Ravalomanana, ka ny famerenana an’i Dada eo amin’ny fitondrana ihany, no vahaolana amin’izao olana maro samy hafa mianjady amin’ny vahoaka sy ny firenena izao, hoy izy ireo.