Filoha Ravalomanana any Atsimo Andrefana – Tonga saina i Toliara, pejy vaovao no misokatra

Isambilo

Hatramin’ny alakamisy teo no efa any Toliara renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM. Ny alakamisy teo nafana sy nakotroka ny fandraisan’ny vahoakan’ny tanànan’ny Masoandro an’i Dada, hatrany amin’ny seranam-piaramanidina Andatabo, ka hatrao amin’ny Magro Andaboly, kilometatra maromaro no nataon’ireo mpitsena dia an-tongotra tamin’izany.

Tsapa fa: manantena ny filoha Marc Ravalomanana i Toliara, ampy izay hoy izy ireo ny famitaham-bahoaka ataon’izao fitondrana Rajoelina izao, mijaly zahay hoy ireo mponina. Hany ka na nisy aza ny sakantsakana tao amin’ny seranampiaramanidina dia tafiditra ireo mpitsena an’i Dada rehefa nisy ny fifampiresahana. Teny an-dalana indray dia nisy ny sakana natao tsy ahafahan’i Dada mandeha kanjo tsy nahatohitra ireo vahoaka maro, ka niala ihany ireo mpitandro filaminana. Nandeha ny diabe ka niafara tao amin’ny Magro ny dia. Lavitra ny lalana, ny hafanana mamely, fa tsy nataon’itreo olona sakana izany. Aleo mihafy kely hoy ireo tafaresaka tamin’ny mpanao gazety toy izay mbola hijaly mandritra ny 5 taona eo indray.

Tompo-marika tamin’izao fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana izao ny RMDM any an-toerana, ny avy amin’ny antoko TIM, ny avy amin’ny KMMR. Nambaran’ny filohan’ny KMMR Toliara kolonely Rabe Jules fa: ”tonga soa eto Toliara ny filoha hajaina Marc Ravalomanana. Misaotra ny vahoakan’i Toliara tonga maro nitsena azy teny amin’ny seranampiaramanidina, ka niaraka nandeha dia tongotra namakivaky ny tanana ny Toliara. Vaky ny barazy noho ny hamaroan’ny olona, fa izany rehetra izany dia tampilaminana sy ampahendrena avokoa. Isika zatra manao zavatra manara-dalàna. Pejy vaovao no misokatra. Toliara tonga saina. Ndao tsy ho tara sambo”, hoy izy.