Fitondrana Rajoelina – Mijaly ny vahoaka vokatry ny tsy fahaizany mitondra firenena

Sôh’son

Miaina ny fasahiranana lalina, vokatry ny tsy fahombiazana amin’ny asa nataon’ny fitondrana Rajoelina tato anatin’ny efatra taona, ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao. Tsy misy azony ialàna bala sy anilihana andraikitra amin’ny hafa toy ny fanaony intsony izany. Nahoana no misy firenena afa-niàla tamin’ny krizy ara-pahasalamana taona 2020 – 2021, na nisoroka tamin’ny vokatr’izany sy ny adin’i Ukraine sy Rosia ny taona 2022, ka nahita lalana hampiakarana ny toekareny? Ireo anefa no ialàna olana mandrakariva ho an’ity fitondrana Rajoelina ity, ary eo ihany koa ny loza voajanahary izay efa mpiseho isan-taona eto amin’ny firenena izany. Tsy voasoroky ny IEM sa PEM sy tsy fantatra intsony izay tohiny amin’ny endriny hafa izany, satria ny antony, tsy niomana marina hanavotra ny vahoaka malagasy ao anaty fahantrany sy ny fahasahiranany izao fitondrana izao, fa ny kajikajy politikany fihazonan-tseza sy tombontsoa sy fangoronan-karena iarahany amin’ny vahiny no mahazo vahana. Milaza izany ireo mpamakafaka sy mpahay toekarena, ohatra, ny amin’ny trosaben’ny Jirama amin’ireo mpandraharaha ara-tsolika, izay nambara fa misy kopaka isasahan’izy ireo ao. Santionany ihany izany, ary fantatry ny vahoaka izany, na ireo tranga hafa ihany koa.

Ny manahirana amin’izao fitondrana izao dia ny tsy fahitàny vahaolana mazava sy mahomby ialàna amin’ny olana manjo ity firenena ity sy ny vahoaka malagasy. Misy ny maharary ny vahoaka nandritry ny taona maro, fa zavatra hafa no entin’ny fitondrana ho vahaolana. Raha mpitsabo dia efa maty ny marary, satria matetika aorian’ny fahafatesana mandrakariva( médecin après la mort), ny fitondrana vao mody mikoropaka mitondra vahaolana. Misy milaza ireo mpisolelaka manohana izao fitondrana izao, hoe misy ny asa efa mandroso. Raha fitsaboana ihany no anaovana ohatra mazava mba ho azon’izy ireo, dia tamin’ny aretina sitram-panafody tsotra tsy niraika ny mpitsabo, fa efa aretim-be toy ny homamiadana hanàla ny ain-dehibe vao mikoropaka, ary amin’io indray aza, fanafody toy ny parasetamôla no omena ny marary. Vahaolana efa tsy tafavoaka intsony no ihazakazahana sy anaovana angoan-tenda amin’ny haino vaky jery miara-dia aminy, ka ilazany hoe efa miasa tokoa izao fitondrana izao. Zara fa vahaolana fe vahaolana anefa no atao, aiza no tsy handrorona ny asa fampandrosoana ity firenena ity ary tsy misy fihatsaràny ny fiainam-bahoaka andavanandro.

Tato ho ato aza niha-nidangana indray ny vidim-bary izay foto-tsakafon’ny vahoaka, ary efa misy mihitsy aza mipàka ho arivo (1000) ariary ny kapoaka. Mbola ho aiza anefa ny volana hovakivakiana ao anaty maitso ahitra no izao sahady no fitrangany. Io tsy vitan’ny hoe midina kely eny amin’ny toerana iray eny, dia mamoaka didy famerana ny vidim-bary. Miharihary fa tsy fahaiza-mitondra firenena tanteraka izany, fa tsy izany mihitsy no tokony ho fomba fiasa raha manana traikefa marina. Maneho fitavozavozana ihany koa amin’ny asa izany, ary ny ratsy amin’izany dia ny sarambabem-bahoaka hatrany no mifafa ny kihony. Rehefa tsy mahay sy tsy mahita vahaolana mahomby dia tokony hahatsapa tena hiala, fa tsy mendrika izao vahoaka malagasy izao ny zava-misy iainany, noho ny ataon-dry Rajoelina sy ny forongony izao.