EDITO 14 Janoary – Potika ny lalana, midangana ny vidim-bary – Mioeraoera amin’ny lalana migodana tsy ho vita ny fitondrana

Rajo

Saika potika avokoa tsy ampy fanarenana ny lalampirenena eto Madagasikara amin’izao fotoana. Midangana ihany koa ny vidim-bary ka tena sahirana ny tokantrano Malagasy maro, amin’ny maha-foton-tsakafontsika izany vary izany. Ankilany anefa, toa mioeraoera na matikambo amin’ny lalana migodana tsy ho vita ny fitondrana Rajoelina. Tsy misy tsy mikaikaika ny mpampiasa làlana eto Madagasikara ankehitriny. Ny lalam-pirenena faharoa ohatra dia efa lozam-pifamoivoizana telo be izao no nitranga tao anatin’ny iray andro monja. Mandrahona ny hitokona ireo mpitondra fiara vaventy raha tsy voavahan’ny fanjakana haingana ny olana.

Ankoatr’izay, dia samy mitaraina avokoa ny mpampiasa ny làlam-pirenena faha-6, ny RN2, RN4, RN12, ny làlam-pirenena faha-34, ny RN24 sns… Manginy fotsiny ny eto an-drenivohitra. Ny fanjakana anefa dia mioeraoera amin’ny làlana migodàna nefa ny làlam-pirenena faharoa aza tsy misy fanamboarana. Nanamafy izany ny solombavambahoaka Rolland Ratsiraka amin’ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ny fitondram-panjakana.

Ny vidim-bary miakatra andro aman’alina eny an-tsena ary milaza ireo mpambongady, fa mety mbola hiakatra io ao anatin’izao fotoam-pahavaratra izao, raha tsy mijery vahaolana haingana ny fanjakana. Efa tsy resahina intsony ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa. Fampanantena poak’aty hatrany no azon’ny vahoaka madinika ankehitriny, vokatry ny balaroran’ny mpitondra ankehitriny, fa raha ny tena vahaolana amin’ny fiainam-bahoaka, tsy ahitan’ny fitondrana Rajoelina vahaolana izany amin’ny ankapobeny. Ho avy ny fifidianana, tsy maintsy hanasazy izao fitondrana izao ny vahoaka tompom-pahefana, amin’ny tsy hihifidiana’izy ireo azy intsony.