Tsy tonga any Mananjary ny fanamboarana – Ritra ny lakandranon’i Pangalana

Stefa

Misy ritra ny ampahany amin’ny lakandranon’i Pangalana, na ny Canal de Pangalana amin’izao fotoana, ny antony dia satria tsy tonga any amin’ny faritra Vatovavy ny fanaovana ho lalina kokoa izany lakandrano izany.

Araka ny nambaran’ny depiote voafidy tany Mananjary faritra Vatovavy, Haja Manager: “tsy tonga hatrany Mananjary ny fanamboarana ny Canal de Pangalana, misy 2km eo noho izany no ritra. Manampin-tsofina ny mpitondra!”. Tsy nifanaraka tamin’ny akoakony akory ny fanamboarana ny Canal de Pangalana. 2 km eo no ritra, tsy misy rano ka nivadika tora-pasika ao Pangalana Sud: kaominina Ankatafana, hoy ihany ity depiote Haja Manager ity.

Tamin’ny 14 septambra 2019 dia voalaza fa niainga avy tany Toamasina ny fanarenana ny lakandranon’i Pangalana, izay mampifandray an’i Toamasina amin’i Farafangana. Tonga tany mihintsy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’izany nitarika ny lanonana nakotrokotra. Hatramin’izao janoary 2023 izao dia tsy mbola nandalo any Mananjary ny “drague” manao azy io. Vokatr’izany dia ritra ny rano ao Pangalana izay 6 km atsimon’i Mananjary. Koa dia miantso ny Minisiteran’ny Fitaterana, mba hitondra fanazavana momba io zavatra io, fa volam-bahoaka no lany tamin’ny asa, ka manana zo hitaky ny tamberin’andraikitra izahay, hoy Mamy Haja Charlot, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny disitrikan’i Mananjary.

Ankoatra izay dia nilaza ity olom-boafidy ity fa miakatra izay tsy izy ny vidin’ny PPN, tsy mivoaka ny vokatra any Mananjary. Miantso vonjy ny vahoaka, fa tsy misy mpamaly, minia tsy mihaino ny tompon’andraikitra voakasika, satria tsy manana vaha olana amin’izany olam-bahoaka izany.