RY MPITONDRA MBOLA MIESONA !

(Sary Tia Tanindrazana)

Mahita tory ve ’nareo no sady mbola mandry saina,
Manoloana ireo vahoaka mitoloko, mitaraina?
Moa tampenana ny sofina ka hodiana tsy henoina?
Eny hatramin’ny eritreritra no ezahina vonoina?

Tsy fandre sy tsy fahita izany hoe karama aidina,
Raha tsy ho an’ny mpitondra efa tena sain’aingidina!
Vidim-piainana, misondrotra sady tena tsy voafehy.
Ny karama anefa aidina ka somary “mampihomehy”!

Dia tena toy ny resa-jaza ny mitondra firenena.
Ny “traikefa” ve no tsy ampy sa ny atao hoe “fahendrena”?
Fa dia mampanongo tena ireo rehetra havendranana,
Sy ny hadisoa-misesy eo amin’ny fomba fitantanana!

Aza mihevitra ny mbola hanalava taom-piasana,
Fa ny fahantram-bahoaka dia manery ny fialàna.
Raha hamahatra eo ’nareo, hitetitetika hitokona,
Dia homaizina ny tany fa hirotaka “ny pokona”!

…’Ndeha jereo hoe aiza re izay varavarambe hivoahana,
F’aza dia matory intsony ry mpitondra lany fahana!
Izany izao no tena mety, ny fotoana manantomotra.
Ireo vahoaka koa tsarovy f’efa leo sy tena romotra !

IRINA HO TAFITA (06-01-23)