Hala-jaza vao teraka tany Toliara – Vehivavy iray sy Rasazy no tompon’ny ketrika

Stefa

Vehivavy iray sy Rasazy no tompon’ny ketrika tamin’ilay hala-jaza vao teraka tany Toliara faritra Atsimo Andrefana. Hitan’ny polisy omaly vao maraina ilay zaza nangalarina, voasambotra ny vehivavy iray sy ilay mpampivelona.

Hita tao amin’ny tanàna iray atao hoe Ankilimarovahatse ilay zazamena vava nangalarina tao amin’ny “Clinique” iray tao Toliara. Vehivavy iray no hita niaraka tamin’ilay zaza ary rehefa nojeren’ny mpitsabo ny vatany dia fantatra fa tsy olona avy niteraka ity vehivavy ity. Nosamborina avy hatrany ity farany. Feno hafaliana kosa ny renin’ilay zazakely rehefa hita sy naverina taminy ilay zanany.

Notanana ihany koa ilay Rasazy tao amin’ilay toeram-pitsaboana izay niray tsikombakomba tamin’ity vehivavy ity, nahafahana namoaka ilay zaza tao amin’ny toeram-pitsaboana. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisy, any amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana mahakasika ity raharaha ity.