Filoha Ravalomanana – Ho any atsimo indray rehefa avy any avaratra

Isambilo

Ho any atsimo indray, rehefa avy any avaratra ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara). Amin’izao faran’ny herinandro izao, izany hoe rahampitso zoma sy ny sabotsy dia ny vahoakan’ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana indray no hihaona amin’i Dada. Hisy ny kongresim-paritry ny antoko TIM hotanterahana ao amin’ny efitrano malalaky ny Basia ao Toliara, ao amin’ny fiangonana katolika Sacré Coeur Tsianaloka io, sady fifampiarahabana tratry ny taona koa eo aminy sy ireo mpikatroka TIM any amin’iny tapany atsimon’i Madagasikara iny.

Ankoatra ny fampahafantarana ireo mpikatroka ny raharaham-pirenena misy amin’izao fotoana, noho ny fahalatsahan’ny firenena an-katerena tanteraka, amin’ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana Rajoelina, amin’izany ihany koa no hanomezany toromarika ny any Toliara mahakasika ny fanomanana ny fifidianana hatao eto amintsika amin’ity taona ity: ny fanentanana ny rehetra hiditra amin’ny lisi-pifidianana, satria mbola amin’ny 31 janoary vao hifarana izany, ary ny tokony haha-mailo ny rehetra hatrany amin’ny fanaraha-maso izany lisi-pifidianana izany, mba ho marina sy azo antoka ary mangarahara ny fifidianana hotanterahana aminy, satria tsy maintsy hiatrika izay fifidianana izay isika araka ny efa voafaritra ao amin’ny lalampanorenana.

Manditra ny kongresim-paritra koa no mety hanoloran’ny any an-toerana azy hofidiana amin’io fifidianana Filoha ho avy io, araka ny efa nisy tamin’ny kongresim-paritra nisy tany Bongolava, sy Diana farany teo. Zoma sy sabotsy indray izany mifankahita, any amin’ny tanànan’ny Masoandro amin’izay resaka politika sy ny fanoherana izay ary ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.