Finoana katolika – Fetibe any Ambanja, fandraisana ny Eveka vaovao

Aly

Finoana katolika, fetibe any Ambanja faritra Diana amin’izao fotoana, fandraisana ny Eveka vaovaon’ny Diôsezin’Ambanja, Mgr Donatien Francis Randriamalala. Nanomboka ny talata teo ny fety any amin’ny faritra Sambirano iny, ho fandraisana ity Eveka vaovao ity, ka tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady ho avy izao. Notsenaina an’i Mgr Donatien Francis Randriamalala, tao amin’ny varavaran’ny Diôsezin’Ambanja, tamin’ny faritra mampisaraka ny distrikan’Antsohihy sy Ambanja. Nigadona tao Andrevorevo: faritra Sofia no notsenaina izy. Tonga nitsena azy ny Arsevekan’Antsiranana Mgr Benjamin Marc Ramaroson, sady admistrateur apostolique an’Ambanja. Hita niaraka tamin’izy ireo koa i Mgr Rosario Vella, Evekan’i Moramanga sady Eveka farany nitondra ny Diôsezin’Ambanja. Nisy ihany koa ireo solontenam-panjakana nanotrona : depiote voafidy tao Analalava ary ny lehiben’ny distrika.