Minia mikimpy amin’ny fahantram-bahoaka – Tsy maintsy hifarana izao fitondrana Rajoelina izao

Andry Tsiavalona

Afaka valo andro dia ho feno efatra taona no nitondran’ny ekipan-dRajoelina Andry ny Firenena. Tsy mbola niova aloha ny Praiminisitra fa ny mpikambana ao amin’ny governemanta no efa nisy nesorina ary nisy notendrena. Notendrena teo amin’ny toeran’ny Lehiben’ny Faritra izay nofidiana araka ny Lalàmpanorenena ary noravana nialohan’ny fepotoam-pisany ny Antenimierandoholona satria mpandany vola, hono (budgetivore), ka nahena ho valo ambinifolo ny mpikambana kanefa ny tetibola dia mihoatra lavitra noho ny an’ny teo aloha. Iray amin’ireo tranga fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana io raharaha tao amin’ny Antenimierandoholona io.

Ny azo amaritana ny fitantanan’ny mpitondra ankehitriny ny Firenena dia samy manao izay saim-patany sy mitady izay hahazoany tombontsoa ny manampahefana isan’ambaratongany, ka tsy miraharaha sy minia mikimpy amin’ny fahantram-bahoaka ary variana amin’ny fampandriana adrisa sy fanaovana vonjy tavanandro amin’izay tranga mety hahazoana manao pimaso hangolena izay trà-pahavoazana.

Nararaotin’izao fitondrana izao ihany koa ny nidiran’ny valanaretina teto amin’ny Firenena, izay heverina fa niniana navela niditra mihitsy mba nahazoana fanampiana avy any ivelany. Ny zava-nisy anefa dia miliara maro ariary no nahodinkodina tamin’ireny fanampiana ireny, ka anisan’izany ny valo miliara ariary nividianana “bonbons sucettes” sy ny raharaha “écrans plats”. Ny tena nanahirana dia ny olona nanao ny asany araka ny tokony ho izy hatrany, no voatazona eny am-ponja, fa ireo lehiben’ny departemanta nisehoan’izany dia mirihoriho eny ihany.

Tsy azo adinoina ny volamena naondrana “antsokosoko”, sy izay nivadika bolongam-by tao anaty “coffre” tao amin’ny minisiteran’ny Harena an-Kibon’ny Tany, ka ireo mpanamory fiaramanidina no migadra tamin’io tranga voalohany io, ary tsy mbola hita ny tohin’ny faharoa fa ny famotorana no mitohy. Ny manahirana dia ny volamena tafavoaka any ivelany any dia tsy misy tafaverina eto Madagasikara intsony, satria araka ny nolazain’ny minisitry ny vola sy ny tetibola dia ny entana miditra no voasava zato isan-jato, fa ny mivoaka dia baranahiny tanteraka.

Toa tsy firenena repoblikana sy demokratika no misy eto Madagasikara fa toa fitondrana tsy refesi-mandidy satria izay tenenin’ny filohan’ny Repolika dia midika ho didim-panjakana. Manaporofo izany ny fisamboram-bola natao tany Frantsa momba ilay teleferika izay tsy nandalo teny amin’ny Antenimiera mihitsy. Tsy mbola nisy toy izao koa teto amin’ny Firenena raha ny tsy fahaloavan’ny fitondrana ny karaman’ny mpandraharaha mpanao làlana aman-taonany maro. Eo koa ny fahoriana mianjady amin’ny mpiasan’ireo orianasam-pirenena tsy mandray karama amam-bolana maro, toy ny any amin’ny Secren ohatra.

Andrasana hitokona ny mpianatra sy ny mpandraharaha ara-pitantanana sy ara-teknika eny amin’ny Anjerimanontolo vao aloa ny vatsim-pianarana na ny karama. Hanafatra mpampianatra vahiny, hono, Rajoelina Andry, ka tsy fantatra na hameno ny banga izany na hanaovana tsinontsinona ny mpampianatra nivoaka avy eny amin’ny ireo sekolim-piofanana ho amin’izany sy ireo nivoaka avy eny amin’ny Anjerimanontolo. Natsangana ny sekoly lazaina fa manara-penitra kanefa ny efa mitsangana no lokoina lokom-boasary, ka ny sekoly any amin’ny tanàna hafa izay zara raha misy rindrina sy zara raha mitafo sady tsy misy dabilio tsy jerena mihitsy.

Raha ny resaka fitsaboana dia tsy misitraka izany fitsaboana maimaimpoana izany ny vahoaka tsy mandady harona, satria tsy misy tsy andoavam-bola.

Nahazo amboara ho “tompondaka” eo amin’ny fanjariana ara-tsakafo ny filohan’ny Repoblika kanefa amin’izao làla-mahitsy farany izao dia manodidina ny roa hetsy sy roa tapitrisa ny tsy manan-koahanina any amin’ny Faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana. Efa manerana an’i Madagasikara ny mahantra sy zara raha mahita hohanina isan’andro.

Mahazo laka eto amin’ny Firenena ny ady tany, ka manjakazaka ny vahiny sy ny mpanambola ary ireo manampahefana na ireo akaikin’ny fitondrana ary mandroaka ny mponina nifandimby teo an-toerana izay taranaka faha-telo na faha-efatra.

Tsy mbola nisy toy izao iainan’ny Malagasy tato anatin’ny efatra taona izao teto amin’ity Nosy ity, koa na hisy na tsy hisy ny fifidianana dia azo inoana fa tsy maintsy hifarana izao fitondrana izao, hiverina amin’ny vahoaka ny fahefana satria nampindraminy izany, ka rehefa tsy misy tamberin’andraikitra azo tsapain-tànana avy any amin’ireo nampindramina izany dia tsy maintsy hisy ny fitsarana.