EDITO 12 Janoary – Fanararaotana samy hafa – Mampitaraina ny maro ny fitaterana eto an-dRenivohitra

Beharo

Marobe amin’ireo mpandeha fitaterana eto an-drenivohitra no nanao fitarainana taminay, momba ireo làlana simba, sy tsy ara-dalàna vokatry ny oram-baratra mikija teto an-toerana tato ho ato izay.

Ireo mpandeha taksibe ohatra dia tsy vitsy no nilaza fa tsy tokony eny amin’ireo toeram-pijanonana feno ranom-potaka no mijanona, manala mpandeha ny mpamily fiara, satria tonga dia mivantana amin’ny loto izay miala, ka mety hitera-doza ara-pahasalamana raha tsy voahaja. Ireo mpandeha fiara karetsaka indray dia milaza fa diso manararaotra loatra ireo mpamily, raha vao hitany fa maloka ny andro na misy ora-madinika, ka ny làlana izay efa mahazatra andoavana iray alina ariary ohatra dia lasa miampy 4 na 5 arivo ihany koa. Ireo mpandeha taxi-moto koa dia nilaza taminay, fa manahirana ny mandeha amin’izy ireny noho ranon’orana sy ranom-potaka vokatry ny orana sy ny lalan-dratsy, izay tsy misy fanamboarana mihitsy ataon’ny ben’ny tanàna Vazahabe sy ny fanjakana. Niakatra ihany koa ny saran-dàlana, nefa feno fotaka sy loto amin’izay làlan-kaleha.

Tsorina fa tokony ho mailo amin’izao fotoam-pahavaratra izao ny rehetra na ny mpamily na ny mpandeha, mba hiarovana ny toe-pahasalamana ohatra, mba tokony hifampitsinjo koa fa tsy hifanararaotra. Ny fahefa-mividin’ny tsirairay efa tsy mitsahatra mitotongana nefa, raha misy ny fanararaotana dia ny samy madinika ihany no mifampihinana eto. Na tena miha-sarotra miha-sarotra isan’andro aza ny fiainana eto amintsika, tokony hifampijery sy hifanohana ihany ny samy madinika.