RY VOLOMBOASARY !

(Sary Tia Tanindrazana)

Raha vao misy zava-maloto eny ho eny,
Dia volomboasary no voateniteny.
Raha vao misy afera tsy mazavazava,
Dia tafiditra ao ny laoranjy mpandrava!

Mitokona ny etsy, tsy azo ny saosy.
Ny volomboasary no mameno paosy!
Ny mpiasa madinika no indro fa tapaka,
Maina ny nongo, tsy misy ny harapaka!

Raha vao miseho ny fanodinkodinana,
Miala any indray ny tsy fahamarinana!
Anaran-tsy miova no mby ao an-tsaina:
Ny volomboasary efa mampitaraina!

Ketrehina indray izao ny hoe hanontana
Karazana vola “amin’ny tsy ara-dalàna”,
Ka tsy mahagaga raha “nody narary”,
Ilay tsy te ho maimbo amin’ny volomboasary!

F’aleony misinda tsy mbola maratra,
Amin’ity hagegena efa toa feno fatra.
Fa ny olona hendry efa be niova volo:
Mandositra volomboasary daholo!

TSIMIMALO (08-01-23)